Telo ihany ireo rafi-pitsinjaram-pahefan’ny Repoblikan’i Madagasikara voasoritry ny Lalàmpanorenana vaovao dia ny Kaominina, ny Faritra ary ny Faritany, araka ny andininy faha-143. Ny Kaominina no rafitra ifotony, hoy hatrany ny Lalàna Fototra ao amin’ny andininy faha-148.
. Ny Kaominina no rafitra ifotony, hoy hatrany ny Lalàna Fototra ao amin’ny andininy faha-148. Mazava tsara ihany koa ny voasoratra ao anatin’ny andininy faha-151 fa ny Olompirenena rehetra manan-jo no manendry ireo mpitantana ny Kaominina amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka. Tsy hita taratra ao anatin’ny Lalàmpanorenana vaovaon’ny Repoblika faha-4 kosa ny famaritana miaraka amin’ny tena anjara toerana sy ny anjara andraikitry ny Fokontany. Voalaza fa ny Fokonolona izay mandrafitra ny Fokontany eo anivon’ireo Kaominina no fototry ny fampandrosoana sy fanamafisana orina ny sehatra ara-tsosialy, kolontsaina ary ara-tontolo iainana. Mandray anjara mavitrika amin’ny famolavolana ny fandaharanasa fampandrosoana ny Kaominina kosa ireo mpitantana ny Fokontany, hoy ny andininy faha-152. Eo indrindra no manahiran-tsainan’ireo ampahan’olona efa mba namaky ity Lalàmpanorenana natao amboletra tamin’ny taona 2010 ity ny fandaniana azy. Raha ny fanindinihan’ireo sokajin’olona ireo mantsy dia tsy mamaly mihitsy ny hetahetam-bahoaka io rafi-pitsinjaram-pahefana vaovao io. Fanontaniana iray goavana mipetraka ihany koa ny hoe hotendrena sa hofidiana ny mpitantana ny Fokontany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.