Fitantanana ny firenena

Isan'ny andrasana hiova ny fanaovana serasera


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Heverina fa isan'ny andrasana hiova ny

serasera ao anatin'izao rivo-baovao hitantanana ny firenena izao. Na ireo mpanao gazety aza moa dia isan'ny miandry ny amin'ny hoe hisokatra amina fomba fijery marolafy na "pluralisme" manomboka eto ireo andrim-panjakana samihafa toy ny minisitera sy sampan-draharaha miankina amin'ny fanjakana eto Madagasikara. Somary mbola nanaitra ny mpanara-baovao nefa ny sabotsy teo ny nahita ny tatitry ny dian'ny filoham-panjakana vaovao, ny Kolonely Michael Andrianirina, tao amin'ny Toby famokarana herinaratra ao Ambohimanambola navoakan'ireo haino aman-jerim-panjakana. Nambara tao anatin'izany fotsiny ny hoe maro ny olana sedraina ao amin'ilay toby saingy tsy nisy na dia ohatra mikasika izay olana izay nampahafantarina akory. Inoana sy antenaina, araka izany, fa ho avy ny fanavaozana goavana mikasika izay serasera sy fampitam-baovao momba ireo andrim-panjakana izay ho hita miandalana eo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT