Actualités

Fitantanana ny asam-panjakana Hapetraka manerana ny Nosy ireo fitaovana informatika


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Miroso amin`ny fanatsarana ny fitantanan-draharaha ny eo anivon` ny fitondram-panjakana. Anisan` ny manana andraikitra amin`izany ny minisiteran` ny asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy.

 Efa am-perinasa ny rindram-baiko “Augure” (Application unique pour la gestion uniforme des ressources humaines de l`Etat). Taorian` ny fitsirihana dia fantatra fa miisa 591 ireo olona mandray volam-panjakana ka haato tsy handray karama intsony ary miisa 7007 ireo tratra ho mpiasam-panjakana matoatoa izay mbola eo am-panamarinana azy ireo ny ao amin’ny Fitantanam-bola araka ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo. Fantatra ihany koa fa mitentina 11,4 miliara Ariary amin’izao fotoana no vola very amin'ny fanjakana noho ireo izay lazaina fa mpiasam-panjakana matoatoa. Mba hanatsarana ny fitantanana ireo mpiasam-panjakana rehetra sy ny mba tsy hisian` ny gaboraraka intsony dia hapetraka manerana ny faritra rehetra manerana ny nosy ireo fitaovana ara informatika sy ara-kajy mirindra izay fiaraha-miasa amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny rindraim-baiko « AUGURE ». Anisan` ireo nisitraka ireo fampitaovana ny any amin’ny faritra Androy. Tonga tany an-toerana nanatitra izany ny Minisitry ny Asa, Gisèle Ranampy omaly.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT