Actualités

Fitantanan-draharaham-panjakana Tsy azo ihodivirana intsony ny nomerika


  • Talata 08 Aogositra 2023

Tsy azo ihodivirana intsony ny nomerika eto amin’ity izao tontolo izao ity, raha ny fahitan-drizareo eo anivon’ny fikambanana Madagasikara nomerika azy,

indrindra, eo amin’ny resaka fitantanana amin’ny ankapobeny. Na eo amin’ny lafiny fampitomboana sy fanafainganana ny vokatra io na eo amin’ny lafiny fanjifana izay mampifandray ny samy olombelona amin’ny alalan’ireo tekinolojia na hairaha vaovao dia heverina fa efa naman’ny endrika vaovao firosoana amin’ny atao hoe sivilizasionina ankehitriny izany. Mikasa ny hizara ny fahaiza-manaony momba izany moa ankehitriny ireo mpikambana anatin’ny fikambanana voalaza teo. Irosoan’izy ireo, noho izany, ny famolavolana fampizarana dieny mbola zaza ny zanaky ny firenena amin’izay fampiasana hairaha vaovao izay ho isan’ny dingana ho any amin’ny fampandrosoam-pirenena. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana ny antsoina hoe “digitalisation” ho an’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Ahafahana manisa ny mponina manomboka amin’ny taona farany ambany ka hatramin’ny farany ambony izany mba hahafahana manafaingana ihany koa ny fizarana ireo soatoavina ara-kolontsaina, fanatanjahantena, mampiofana ireo tanora, indrindra, tovovavy mba ho mahaleotena ara-bola. Eo ny tsy fampiasana taratasy intsony eo amin’ny resaka ara-kasa fa eo ihany koa ny fanabeazana ny vahoaka tsy an-kanavaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana satria dia ho azo ara-potoana foana ny momba ireo zava-misy rehetra izay mitranga, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT