Fitantanan-draharaham-panjakana

Mihamafy ny ahiahy amin’ny fitanilana politika


  • Zoma 08 Septambra 2023

Mitombo ny ahiahy amin’ny mety ho fampiasana ny fahefam-panjakana amin’ny fampandaniana ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana.

Iny efa niaraha-naheno iny ohatra ny firesaky ny Minisitry ny asa tanana Rtoa Sophie Ratsiraka tapa-bolana lasa izay fa diso hevitra sy diso làlana ny Arema nandrotsaka an’I Annick Ratsiraka rahavaviny ho kandida, ka nilazany fa manohana an-dRajoelina izy satria mbola any aminy ny “administration” sy ny vola. Hita taratra tokoa ny filalaovana io fahefana io amin’ny fanohintohinana ny fahalalan’ireo kandida hafa, ny fanambazana miseho amin’ny endrika samihafa. Araka ny vaovao azo omaly, ohatra, dia ho tonga ao Mahajanga anio zoma 8 septambra 2023 ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Hanolotra moto ho an’ireo Delegen’ny Boriborintany eny amin ny Résidence bord de la mer, raha tsy misy ny fiovana. Manamafy ny ahiahy politika kosa anefa ny endrika fizarazarana zavatra sy karazana fanambazana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny miantsoroka mivantana na ankolaka ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: amin’izao mialohan’ny fifidianana izao no mandeha ireny sa tetika politika hoenti-manome toromarika ara-pifidianana hampandaniana ny kandidam-panjakana? Volam-bahoaka ve no nividianana an’ireny zavatra zavaraina ireny sa volan’antoko manokana? Teo aloha dia ireo Prefe sy Lehiben’ny distrika no nampanaovina iraka manokana hampahafantatra sy hanao karazana fandokafana ny zavatra vitan’ny Fanjakana, asaina midina ifotony,… Tena voahaja ve ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenena izay milaza ny tsy tokony hiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny loko politika?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT