FITANTANAN

-DRAHARAHAM-PANJAKANA


  • Zoma 09 Oktobra 2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Mihetsiketsika nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ireo mpiasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ka anisan’ny fitakiana lehibe ao anatin’izany ilay tambin-karama 150 000 Ariary ho an’ny mpiasa rehetra sy ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra mivoaka ao amin’ny ENS, izay voalaza fa tokony hahazo toerana ao anatin’ireo « poste » 9 000 isa. Mitohy hatrany ny fitokonana raha mbola tsy misy ny didy fampiharana momba ireo teboka 4 takianay hoy ny solontenan’izy ireo nanoloana ny minisitera omaly. Anio zoma 9 oktobra ihany koa dia misy ny karazana hetsika ataon’ireo mpampianatra mpanabe avy amin’ny sekoly tsy miankina ; ary raha ny vaovao voaray avy amin’ny solontenan’izy ireo dia fiaraha-mientana mba hitadiavana tombotsoa ho an’ny zanaka malagasy izy io ary manerana ny nosy, raha ny filazan’izy ireo ny hetsika.Etsy ankilan’izay nafampana ihany koa ny teny amin’ny minisiteran’ny indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina omaly satria misy andiana mpiasa mitaky tsotra zao ny fialan’ny minisitra sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Olona tsy mihaino ary tsy mahay miara-miasa amin’ny hafa ireo ka sakana amin’ny fandehanan’ny asa hoy ny solontenan’ny mpiasa nitafa tamin’ny mpanao gazety. Maro ny resaka sy dinika efa natao saingy tsy nisy zavatra niova ka izay no nahatonga anay nanapa-kevitra niantso mpanao gazety mba hampahafantarana ny zava-misy marina ato amin’ny minisitera hoy izy ireo. Tsy mitombina fitakiana fa misy olona nesorina tamin’ny toerana no te hifikitra mafy amain’ny sezany ka mitarika io fitokonana izay miendrika fanakorontanana io hoy ny minisitra. Aminy dia mandeha tsara ny asa. Ireo ny zava-misy toa misamboaravoara tampoka izany , moa fitakiana tokoa ve sa resaka fanozongozonana toerana tompon’andraikitra satria malaza fa hoe ho avy ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ? Toa samy mihetsika tampoka izany ireo sendika. Na izany na tsy izany aza anefa, tsy fahotana velively ny milaza ny zava-misy ary manana adidy handamina ny toe-draharaha ireo tompon’andraikitra ka tsy maintsy mikaroka ny hevitra ahafahana mifampiresaka. Ary raha toa ka misy tokoa ireo tompon’andraikitra tsy mahavita araka ny tokony ho izy ny asany dia raisina ny fepetra ; mazava ho azy fa misy fitsirihina sy fanadihadiana tsy maintsy atao amin’izany fa tsy resaka tondro molotra dia ampy hanesorana olona. Tsy ilaozan’ny hoe misy resaka politika ihany koa anefa io toe-draharaha misy amin’izao fotoana io, efa fantatra tsara ihany ny talentan’ny malagasy amin’ny sangodim-panina politika sy ny fanaovana sinema . Ny hisavorovoron-kilatoana hono ka tsara ny andaniny sy ny ankilany raha mifampiresaka sy mifandamina fa manahirana ihany raha izao toe-draharaha izao no miitatra kanefa hoe hanao fikaonandoham-paritra sy nasionaly.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

Hijery ny tohiny
FTT