Fitanisana olana sisa ny an’ny JIRAMA

«Ririnina izao, miakatra 5% isan-taona ny filàna, simba ny fitaovana,… »


  • Alarobia 04 Jona 2025

Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,

hoy ny Jirama tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny famokarana angovo Atoa Mandaniaina Nomena omaly 03 jona 2025 tao amin’ny TVM. Misy fantsona mitondra rano, ka rehefa betsaka ny orana dia tsentsin’ny fako. Tsy maintsy tapaka rehefa manala fako. Ankehitriny indray, misedra tsy fahampian-drano ireo toby famokarana, mihena hatrany amin’ny antsasany aza, raha ny fanazavany. « Tsy azo hihodivirana ny delestazy amin’ity ririnina ity noho ny faharitran’ny rano. Misy vahaolana fohy ezaka, toy ny tambajotra amin’ny masoandro eny Ambatomirahavavy hiditra amin’ny RIA na ny tambajotra iraisan’Antananarivo amin’ny faran’ny jona, misy milina 4MW ao Antsirabe ihany koa hanampy », hoy io Tompon’andraikitra. Nomarihiny kosa fa tsyhiteny hoe : ho foana fa mba hisy fiantraikany ireo. Nambara fa tsy misy toerana hatao laharam-pahamehana fa mitovy avokoa ny fahatapahana. Momba ny herinaratra miazo ny RN 1 sy ny manodidina, nambara fa nisy « transformateurs 2 » tratry ny fahasimbana tao anatin’ny tapa-bolana ho an’ny tambajotra Tana-Sud, ka iray ihany sisa no mandeha. « Nisy fahasarotana, betsaka ny zavatra simba ka tsy maintsy nanafatra any ampitan-dranomasina. Anisan’izany ny makany Arivonimamo, Soavinandriana, Itaosy, Ambodimita,… izay somary mavesatra ka tsy maintsy hampifandimbiasina », hoy hatrany io tompon’andraikitry ny Jirama io. Naneho fialan-tsiny noho ny fahatapahana moa ny Jirama, niantso fahatoniana, ary nilaza fa miezaka manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanatsarana ny tolotra. Na izany aza, tsy fitanisana olana no ilain’ny vahoaka fa vahaolana maharitra satria tena potika ny fihariana maro, mijaly ny valalabemandry, ny faktiora aloa foana,… Mety tsy miankina amin’ny Jirama irery, ary mety manao ny ezaka tokoa ity orinasa ity, saingy tompon’andraikitra eo anatrehan’izao zava-misy izao ny mpitantana rehetra, fa indrindra ny fitondram-panjakana. Tsy vao izao rahateo no nisy ririnana sy lohataona, tsy vao izao no nisy olana olana teknika, tsy izao vao nisy fahasimbana,… ka zary efa tsianjery maimbo sy raisin’ny olom-pirenena ho fialana bala sisa ireny. Tsy olana no tian’ny rehetra hohenoina fa vahaolana maharitra !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT