Fitandroana filaminana ambara isaky ny misy hetsika

Mampiato fampianarana, asa aman-


  • Alakamisy 25 Septambra 2025

draharaha, manohitohina fifamezivezena…

Nilaza moa izany ny avy eo anivon’ny fitandroana ny filaminana fa handray fepetra hentitra amin’ity anio ity ho fitandroana izay filaminana izay eto Antananarivo renivohitra. Maro, tetsy ankilan’izay ireo tompona sekoly, tompona orinasa, ray aman-dreny samihafa nanapa-kevitra ny hampiato ny fandraharahan’izy ireo noho ny fisian’ny hetsika anio eny Ambohijatovo, raha ny angom-baovao voaray. Toy izay nitranga tamin’ny hetsika fotsy ny taona 2023 sy ny talohan’izay hatrany dia omaly dia efa saika nahitàna mpitandro filaminana nifamezivezy na nijanona tamina toerana samihafa teto Antananarivo renivohitra. Isan’ny nahitàna izany sahady, ohatra, teny Andavamamba, Analakely, iny hiditra an’Ankazomanga iny sy ny maro hafa ary heverina sahady ho isan’ny anton’ireo fandraisana fepetra samihafa avy amin’ireo tomponandraikitra amina orinasa na sekoly voalaza teo ihany koa ny fahitàna izany. Tsikaritra hatrany ho mampiato fampianarana, asa aman-draharaha, manohitohina fifamezivezena, tsy ahafahana mihary, manakana zavatra maro hatrany, araka izany, izay fitandroana filaminana ambara isaky ny misy hetsika fidinana an-dalambe tahaka ity anio ity izay. Voatandro tokoa ve ny filaminana sa sempotra hatramin’ireo zaza marary amin’ny hopitaly? Voatandro tokoa ve ny filaminana sa maratra hatramin’ny vahoaka mitaky ny zony sy ireo mpanao gazety mitrandraka vaovao? Ireo olompirenena lasa mitondra takaitra aty aoriana ve izany no mira filaminana voatandro? Sao dia mila averina ampahatsiahivina mihitsy aloha ny famaritana ilay teny hoe «filaminana» sy «fitandroana filaminana»?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT