Actualités

Fitanana am-ponja mpanao gazety Tetika hanakanana ny fanokafana ny MBS sy Fahazavana


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Raharaha anisan’ny mitana ny sain’ny maro, tsy eto an-toerana ihany fa manerana izao tontolo izao, ny fitanana am-ponja ireo mpanao gazety roalahy ao amin’ny Madagascar Matin, hatramin’ny alatsinainy teo. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ireo mpisolovava dimy niaro azy ireo nandritra ny fifandaharana teo anatrehan’ny Fitsarana omaly. Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora miandry ny didim-pitsarana rahampitso zoma i Jean Luc Rahaga sy Didier Ramanoelina. Fanehoan-kevitr’olon-tsotra mikasika ny trafikana boaderôzy ka mahavoatonona anarana minisitra am-perinasa miisa telo ka navoaka an-gazety no anenjehana azy roalahy ireto ho toy ny nahavita heloka bevava ka itazonana am-ponja azy ireo.

Fandrebirebena saim-bahoaka no betsaka

Ny fahitana ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko HVM tsy mitsaha-miteny amin’ny haino aman-jery sy an-gazety hatramin’ny alatsinainy nivoahan’ity raharaha ity anefa dia mampiharihary ny tsindry ataon’ny fanjakana amin’ny Fitsarana. Aleo dia tsorina fa misy ambadika politika ity raharaha ity. Manomboka mivoaka mantsy ny resaka hatry ny alatsinainy teo fa mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny iray amin’ireto mpanao gazety gejaina ireto. Mazava izany ny tiana hatao ao ambadik’ity raharaha ity fa fandrebirebena ny saim-bahoaka fotsiny no betsaka, dia ny hanakana tsotra izao ny fanokafana ny MBS (Malagasy Broadcasting System) izay nisy radio sy fahitalavitra ary nanana masoivoho tamin’ny Distrika maro teto Madagasikara ary nampiasa tanora malagasy an-jatony. Baraingo ihany koa ny hisokafan’ny onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia ny Radio Fahazavana izany, na dia efa nanaovan’ny Foibe FJKM fangatahana aza ny hanokafana azy. Raha izay no izy, halevina toy ny tsy misy ve izany ilay tondrozotra efa zary lalàna, milaza mazava ao amin’ny andininy faha-17 izay miantoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra, manamafy ny voalazan’ny lalampanorenana, nefa fitondrana te hirehareha ho tan-dalàna sy tsara tantana e ? Aoka hazava ny resaka !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT