Nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena mba hanao fanambarana lehibe momba ny fitakiana amin’i Frantsa ny “îles éparses” (Glorieuses, Juan de Nova, Europa, ary Bassas da India),
izay tokony horesahina amin'ny fivoriana faha-72 eo anivon'ny Firenena Mikambana ny 17 septambra 2017 izao ny Fikambanana Nosy Malagasy (ANM), tarihin'i Arlette Ramaroson ity. Tamin’ny andiany faha-71 tamin’ny taon-dasa izy io no efa tokony ho noresahina tany New York, saingy nesorina tao anaty programa tamin’ny ora farany. Maro ireo hetsika isan-karazany ary am-polony taona maro nentina nitakiana ireo Nosy ireo. Anisan’ireny ny fehin-kevitra lehibe noraisina nandritra ny atrikasa goavana natao tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny 23 jolay 2016, ka herivelona maro teto amin’ny firenena no namolavola azy. Manamafy ny maha an’i Madagasikara ireo Nosy ireo ny Fikambanana Nosy Malagasy, ary midika ho famadihana sy tsy firaharahiana tsotr’izao ny fiandrianam-pirenena ny fanekena ny fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay, raha ny vontoatin’ny taratasin’izy ireo. Sarotra kosa ny hino sy hanantena fa ny fitondrana HVM tarihin-dRajaonarimampianina no hiady ny famerenana ireo Nosy ireo, fa toa lany andro mitanisa fa fifampiresahana ara-diplomatika no hakana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.