FITAKIANA HETRAN –TRANO SY HETRAN-TANY

Tokony hatao eny amin’ny Fokontany aza, hoy Randriantsoa Jimmy


  • Zoma 16 Mey 2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Kaominina hoy Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora ny fitakiana ny hetran-trano sy ny hetran-tany amin’ny vahoaka eny ifotony. Betsaka amin’ny mponina mantsy hoy izy no matahotra miditra birao koa na ny mandeha eny anivon’ny kaominina aza efa tena mampahalaina azy, mainka fa handany fotoana sy saran-dalana hanatona ny ivon-toerana fandoavan-ketra ? Ho an’ny Kaominina Alasora izay hiadidiany manokana dia nambarany fa raha 5% ny tahan’ny fandoavan-ketra tao aminy tamin’ny fotoana nitantanany voalohany ny kaominina dia efa mba tafakatra 30% izany ankehitriny. Mbola ireo olona manana fari-piainana antonony ihany koa anefa no mandoa izany raha ny nambarany fa ireo voasokajy ho mpanam-bola tsy misy mivaky loha. Manahy mafy ny mety hitontonganan’ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ny kaominina rehetra ity Ben’ny tanana ity noho izany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia kasain’ny Fitondram-panjakana hafindra eny anivon’ny ivon-toeram-pandoavan-ketra ny fandoavana hetran-trano sy hetran-tany ho an’ny olom-pirenena. Miditra avy hatrany any amin’ny tresor ny tahirim-bolam-panjakana izany avy eo izay vao miverina mankany amin’ny kaominina indray. Tokony hojeren’ireo Solombavambahoaka ny mikasika io lalana vaovao kasain’ny Fitondram-panjakana hampiharina manomboka amin’ity taona 2025 ity io hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Vahaolana arosony ihany koa ny tokony hanamaivana ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny finday ohatra hiarahana amin’ny Ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola hanalana fahasahiranana ny Kaominina sy ny vahoaka.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny Kaominina Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT