Actualités

Fitakiana famotsorana gadra Nanome fe-potoana 5 andro ny mponin’i Mangalaza


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Nitohy omaly ny fitakian’ny fokonolona avy any Managalaza tao Ambatondrazaka ny famotsorana ireo olona 6 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha fitsaram-bahoaka niseho herintaona lasa izay.

Olona voalaza fa nanafika no novonoin’ny fokonolona, ka ireo 6 no nosamborina tamin’ity herinandro ity, ary nalefa any am-ponja. Nisy ilay firohotana teny amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka afak’omaly hariva, izay niafara tamin’ny fanapoahana basy nanapariahana ireo fokonolona an’arivony. Nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ireo solontenam-pokonolona omaly, ka nivoitra fa tsy maintsy arahina ny paipaika sy ny dingana ara-pitsarana fa tsy afaka ny hamoaka ireo olona ireo. Nifampitaona tany amin’ny Sampanan’I Mangalaza kosa ireo vahoaka, nikasa hiakatra tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Ambatondrazaka, saingy noravan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fomba tsotra. Niandriandry tany amin’ny arabe sy ny manodidina ireo mponina. Nanome fe-potoana 5 andro kosa anefa ireo hamoahana ireo olona notanana am-ponja. “Ilay vahoaka maty sy velona, ny dahalo tafiditra an-drano matin’ny vahoaka, saingy ny vahoaka lasibatra indray no gadraina. Mivadika I Mangalaza, avoahy fotsiny ny namanay dia ampy”, hoy ireo mponina. Nilaza kosa ny teo anivon’ny Fitsarana, fa ekena ny hoe: mankarary vahoaka ny tsy fandriampahalemana, kanefa tokony handefa fitarainana sy hanolotra ny olon-dratsy amin’ny manam-pahefana, kanefa tsy izay no nitranga fa novonoina ilay olona. Raha atao fanao dia lasa tahaka ny tany tsy misy lalàna, hoy ny fanazavana. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT