Fitakiana etsy sy eroa

Lasa mifangaro fanararaotana ny sasany…


  • Alarobia 05 Novambra 2025

Toy ny adihevitra mikasika ny

famoahana ireo gadra politika tamin’ny fotoana nahatafita izao tolona izorana any amin’ny antsoina hoe fanovàna sy fanorenana ifotony izao ihany ankehitriny ny adihevitra mikasika ireo fitakiana samihafa maha feno fidinana an-dalambe etsy sy eroa ankehitriny. Isan’ny fanontaniana nipetraka, ohatra, teo aloha teo ny hoe olom-boafidy tratra am-bodin-tsokatra saika hanondrana an-tsokosoko sokatra ve, ohatra, dia tokony ho nosokajiana ho isan’ny nantsoina hoe gadra politika? Toy izany koa ny olona voaporofo fa tompondakan’ny fanaparam-pahefàna ary tsy menatra akory nampiranty tamin’ny tambazotran-tserasera fa manana karazana fitaovam-piadiana, izay mampametra-panontaniana hoe ara-dalàna ve sa tsia? Ny sasany tena niarahan’ny rehetra nahita fa saika isan’andro dia nifantoka hatrany tamin’ny fanalàm-baraka olona sy ny hafa maro tsy voatanisa. Tena azo nosokajiana ho tsy meloka na gadra politika tokoa ve ny sasany amin’izy ireny? Amin’izao fotoana izao indray dia io iaraha-mahita io, ohatra, ny tranga amina kaominina sasantsasany. Takiana ny fialàn’ny ben’ny tanàna am-perinasa satria misy te ho lasa filohan’ny delegasionina manokana na PDS. Izay andraisana fanapahan-kevitra rehetra satria hita fa tsy nanara-dalàna dia maneho tsy fahafaliana eny an’arabe. Mandoro kodiarana ny sasany. Ny sasany mandoro kitay. Samy milatsaka an’arabe daholo ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany. Hatraiza ny fetra hamelàn’ny fitondràna mijoro ny fihanak’ireo fitakiana etsy sy eroa, izay tsikaritra ho lasa mifangaro fanararaotana amin’izao fotoana izao? Raha ny hita manoloana ireo fidinana hery miisa 2 mifanandrina hatrany tsinona dia ahiana ny fifandonan’ny samy sivily. Aiza ho aiza ny elanelam-panahy manoloana ireo zava-miseho?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT