Actualités

Fitakiana 20% amin’ny fanondranana entana Mitaraina noho ny kenda roroka ireo mpandraharaha


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Mba hampitomboana ny loharanom-bolan’ny Fanjakana izay tsikaritra ho mandalo fahasahiranana, dia isan’ny manamarika izao fitondrana izao ny nametrahana ilay karazana tataon-ketra,

Droit de sortie” amin’ny fanondranana entana, izay mahatratra hatrany amin’ny 20% amin’ny vidiny hamarotana azy any ivelany na ilay antsoina hoe: “valeur déclarée”. Isan’ny politika teto hatrizay anefa ny hoe: tsy tataovana hetra ny fanondranana entana, mba hahafahana mampiditra vola vahiny, fa ny fanaraha-maso ny fampidiana izany na “rapatriement des devises” koa no tokony hamafisina. Manomboka mitaraina ireo mpandraharaha maro, fa tena famonoana ny toekarena sy ny mpandraharaha io, ary tsy izao no vahaolana raha sahirana ara-bola fa ny mamokatra ihany. Ahoana moa no hahavelona ny mpandraharaha eto amin'ny tanàna amin'izany, ary tsy ho afaka hifaninana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena mihitsy tsy ho “comptétitif”, araka ny fiteny vahiny. Maro ny entana mihitsoka ao amin’ny Seranantsambon’I Toamasina ankehitriny satria tsy mety mandoa io tataon-ketra 20% ny olona fa hoe maty izahay, hoy ny fampitam-baovao. Voapaingotra any amin’ny hofan'ny toerana hitobian'ny entana ao indray anefa ireo mpandraharaha dia efa mitombo ihany ny mason-karena. Sao mba tokony hitady vahaolana hafa ihany? Rehefa may volon-tratra tsy mahita vola ve izany ny Fanjakana dia atao kenda roroka ny mpandraharaha izay vao manomboka miarin-doha taorian'ny Covid 2 taona? Avy eo mbola manao don-tandroka be ihany koa isika hoe tsy maintsy ampodiana haingana ny volanareo any ivelany any. Manana ny heveriny fa rariny ny Fanjakana, kanefa toa tsy mahalala afa-tsy izay metimety aminy. Tena ekena hoe ampiharina ny lalàna fa misy zavatra mba mila dinihina lalina ihany fa rehefa ny mpandraharaha no marary anie, angaha misy azo atao fa dia hikatoka eo ny orinasa. Ny fanamby anefa ho an’ny taona 2023 dia hoe: “ho taonan’ny fandresena sy ny fihariana”, hampiroborobo ny fananganana indostria,… ka sao mba mifanohitra amin’izany ny fihetsika. Mba hampiroboroboana ny tsenan’ny fifanakalozana ara-barotra, isan’ny miezaka manalefaka ny resaka haba sy hetra mba hitsinjovana sy ny orinasa sy ny indostria ary hampiroboroboana ny toekareena ny firenena maro, tahaka ny Amerikanina amin’ny alalan’ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) ka mila mijery vahaolana hafa ihany ny Fanjakana mba tsy ho sanatria sady efa tsy mahavaha olana no mbola hamono ny kely sisa mijoro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT