Actualités

Fitakian’ny SECES Mitombina tsara satria …


  • Zoma 20 Mey 2011

Mamaivay ny raharaha eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ary tena mbola ankamantatra hatramin’izao ny daty mazava hanombohan’ny fampianarana.

 Toa fanomezan-toky sy kabary no betsaka fa raha ny tena marina tsy misy ny vahaolana matotra, araka ny nambaran’ny mpianatra iray tafaresaka taminay. Fa mahakasika kosa ny fitakian’ireo mpampianatra mpikaroka ao anatin’ny Seces dia mizarazara ny hevitra ka ao ireo milaza fa efa tena filam-banina sy fitiavan-tena tsotra izao ny an’ireto Seces mikaroka fanondrotan-karama sy tambin-karama isan-taona ireto. Ao kosa anefa ireo mahita fa rariny sy mitombina ny fitakiana satria niady mafy sy nianatra ary tena nandany ron-doha am-polony taona ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite ireo kanefa dia tsy nomena ny hasiny mihitsy hatramin’izay, koa raha tonga ny hoe vanim-potoan’ny fanovana dia rariny raha mitaky ny zony sy ny famerenana ny hasiny izy ireo.

Ho an’ny raim-pianakaviana iray izay mahalala tsara ny tontolon’ny fampianarana ambony ohatra dia nilaza izy : fa tsy marina ny filazana fa tsy nahavita fikarohana izany ny mpampianatra sy manampahaizana eto Madagasikara. Tena maro be ny boky mirakitra ny fikarohana natao, ary azo jerena eny amin’ny tranombokin’ny oniversite eny Ankatso izany, araka ny filazany, ary tena avy amin’ireo fitondrana nifandimby no tsy nahatanteraka hatramin’ny farany ny fikarohana ka tsy nahitan’ny vahoaka izany fa tsy miankina irery amin’ny mpampianatra mpikaroka. Araka ny fanazavany ihany dia mety noho ny antony ara-politika na koa noho ny tsindry bokotra avy amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany no nahatonga ny mpitondra fanjakana nifandimby teto tsy nanome vahana ny mpampianatra teny amin’ny oniversite amin’ny fikarohana tokony ho nataony, ary tsy nanampy azy ireo mihitsy.

Efa misy ihany hoy izy ny ivontoeram-pikarohana tahaka ny CNRIT eny Tsimbazaza, CNRO Nosy-Be, eo ihany koa ny Akademia eny Tsimbazaza raha tsy hitanisa afa tsy ireo, fa saingy voafetra ihany ny asa-pikarohana vita sy mivoaka eny. Tsara ho fantatra anefa fa maro be ireo mpampianatra mpikaroka sy manampahaizana Malagasy miasa any Eoropa sy any Etazonia, Kanada, Japon, Aostralia. Any amin’ny NASA any Etazonia, ohatra, dia misy injeniera malagasy miasa, ny CNRS any Frantsa ihany koa dia mampiasa manampahaizana malagasy maro, ary firifiry moa ireo banky goavana maneran-tany no manana mpiasa ambony teratany malagasy.

Te hiasa eto an-tanindrazana ireny manampahaizana ireny, araka ny fahitan’ity raim-pianakaviana iray ity fa tsy maintsy mitady lalan-kafa rehefa tsy raharahiana sy atao an-kilabao. Ny namaranany ny fanazavany moa dia ny hoe fa nahoana no ekena rehefa omena karama dimy tapitrisa ariary ny mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na dia tsy fantatra mazava aza ny tena asany ary tsy hita misy vokany mivaingana amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ? Nahoana anefa no kianina be tahaka izao ny mpampianatra mpikaroka nandany ron-doha sy niasa mafy rehefa mba mitaky ny zony ? Misokatra ny adihevitra.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT