FIARAHA-MIASA

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia


  • Talata 05 Mey 2026

Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina

iraisam-pirenena Ivato omaly Alatsinainy 04 Mey ireo influenceurs malagasy miisa fito, izay hivahiny any an-toerana mandritra ny 10 andro. Handray anjara amin’ny fitsidihana sy hetsika ara-kolontsaina any Rosia izy ireo ahitana an'i Antso Bomaka, i Dezy Kely La Page, Mba Lait, My Rakotoarivony, Rakotoarivony Miandriray Fanantenana, Abi Abriane, Regina R,… Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia, notohanan’ny African Initiative. Mandritra ny dian'izy ireo any an-toerana dia hanaparitaka sy hizara amin’ny tambajotra sosialy ireo hetsika manamarika ny Andron’ny Fandresena hatao ny Rosia ny 09 Mey izy ireo, izay fahatsiarovana ny fandresena tamin’ny Ady Lehibe Faharoa.Voalaza fa mbola hisy andiany hafa hanaraka azy, ho fanohizana ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina sy nomerika eo amin’ny firenena roa tonta.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo influenceur Malagasy lasa any ivelany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT