Tena sempotra ny fanjakana amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny Seces.
Omaly nandritra ny fivorian’ireo mpampianatra no nahafantarana fa efa nahazo taratasy mandidy amin’ny fandoavana ny vola takian’ireo mpampianatra amin’ny fanjakana ny tahirim-bolam-panjakana sy ny ministeran’ny vola saingy raha manaraka ny fepetra mahazatra izany antontan-taratasy izany dia mety amin’ny volana oktobra vao ho azo io volan’ny mpampianatra mpikaroka io. Ny fitakian’ny avy ao amin’ny Seces izany dia ny mba hamoahan’ny filoham-pirenena didy mba hampandoavana io vola io ivelan’ny fizotrany andavan’andro aloha amin’izy dia mba mety hivoaka volana jolay izany tambi-karama izany . Momba ny fampiharana ireo didy telo mikasika ny tambin-karama manaraka kosa dia takian’ny mpampianatra mpikaroka ny hanaovan’ny minisitry ny vola sy ny teti-bola sy ny ministry ny fampianarana ambony taratasy fanekena voasonia fa haloan’izy ireo ara-potoana ny zon’ izy ireo.
Tsy hanaiky taona fotsy ny mpianatra
Eo indray aloha izany no mikatso ny raharaha ka andrasana ny ho valitenin’ny fanjakana izay efa nahavita dingana lehibe ihany.Etsy ankilany kosa ny mpianatra dia miandry izay tena ho fanapahan-kevitry ny Seces na hihenjana hatramin’ny farany na hilefitra hanaraka ny fandaminana natolotry ny fanjakana ihany. Raha tsy miravona mantsy io fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny Seces io ka lasa taona fotsy ny taom-pianaranay dia tsy maintsy hihetsika izahay amin’ny herinandro ambony hoy ny avy ao amin’ny Degs ary tsy izy ireo irery ihany araka ny fantatra fa ny sampana rehetra mihintsy .
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.