Actualités

Fitakian’ny Jirama Ambany maso tsy hitan’ny Praiminisitra


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Toy ny fomba firesany mahazatra dia tsy dia manome lanja loatra ny zava-mitranga eto Madagasikara ny praiminisitra rehefa mamaly fanontanian’ny mpanao gazety.

 

 Raha iresahana ny fitarainan’ny olona amin’ny tsy fahalavorarian’ny fifidianana izy, ohatra, dia ny avaliny anao hoe : tsy fantatro na misy firy na firy no mitaraina fa ny hitako aloha dia nandeha tsara ny fifidianana na dia efa ho may noho ny hatezeran’ny olona aza ny tanàna. Iresahana indray ny praiminisitra hoe ahoana ny olan’ny Jirama amin’ny fandrahonan’ny mpiasa hitokona dia ny avaliny indray hoe efa nahita vahaolana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina ny fanjakana, kanefa dia io fiaraha-miasa io mihitsy no fototry ny fitokonan’ny mpiasa. Tena mody tsy mahita ny zava-misy ve ny jeneraly Ravelonairvo Jean sa tsy te hahalala ny fahorian’ny olona ? Ireo mpiasan’ny Jirama ireo dia nanome fanazavana teknika ny amin’ny tsy maha mety intsony ny iantsoana vahiny hiasa ho an’ny Jirama fa fitaovana no tokony hovidiana dia izy ireo ihany no manao ny asa. Fara faharatsiny raha tsy maharesy lahatra ny fanjakana ny fanazavan’ny solontenan’ny mpiasan’ny Jirama maninona no tsy manome fanazavana ara-teknika tsotra takatry ny besinimaro koa ny fanjakana hiarovany izay hevitra heveriny fa mety e ? Soa fa nihemotra tsy hitokona ny farimbon-tsendikaly !


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT