Actualités

Fitaka bevava tany Ifanadiana Manome herinandro ny depiote ny zanak’Antanala


  • Zoma 03 Novambra 2017

Fitaka avo lenta nataona depiote voafidy tany an-toerana no nahazo ny zanak’Antanala any amin’ny kaominina Ifanadiana. Nanao tolotr’asa hiantsoana olona hametraka “pylône”

fampitana onja-peo any Andapa Faritra SAVA ity solombavambahoaka ity sy ireo olona mpiara-miasa aminy. 3 volana no nifanarahana hanatanterahana ny asa ka ho 20. 000 ar isan’andro no karaman’ny olona tsirairay ary homena 200.000 ar isan’olona eo am-piaingana hapetraka ho an’ny fianakaviana ao an-tanàna. Nahatratra 60 lahy ny namely ny antso nefa teo am-piaingana dia efa hafahafa ny fandehan’ny resaka fa tsy nisy afa-tsy 60.000 ar no navela ho an’ny fianakaviana. Nony tonga tany Andapa dia mbola nandeha dia an-tongotra 3 andro niala ity toerana ity vao tonga teo amin’ny toerana hametrahana ny “pylône” ary nibaby simenitra 50 kg avy tamin’izany. Teo indray dia mbola nisy adin’ny roa niakarana tendrombohitra ary tsy azo akory ny karama nampanantenaina fa levilevy azy no nanaraka. Nisy ny nitsoaka avy hatrany nankany Andapa lasa nanao asa kidabo hivelomana an-tanin’olona ary nisy ny nandositra any anaty ala lavitra any. Hatreto dia mitaintaina lalina ireo ray aman-dreny sy havan’ireo nentina any Andapa ka nanao antso avo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly niaraka tamin’ny filoha lefitry ny fikambanana Zanak’Antanala eto Antananarivo, ny Printsy Andriamihanidaza na i Laza fa manome herinadro an’ingahy depiote avy any Ifanadiana izahay hamerina ireo olona 60 nalefa any Andapa, 2 tamin’ireo no efa tafaverina eto Antananrivo ary 2 hafa efa tonga any Ifanadiana fa nandefasan’ny havany “frais”. Raha dila io fe-potoana io, hoy ny fanambarana, dia handray fepetra izahay.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT