ita sonia ny fifanarahana hoenti-manatanteraka programa roa vatsian’ny VoVndrona Eoropeanina vola mitentina 36 tapitrisa euros ho an’i Madagasikara, ka nisolontena ny Firenena Malagasy ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Atoa Richard Randriamandranto.
Voalohany hanompanana izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ny fitaterana an-tanety, fitaterana anabakabaka, fotodrafitrasa an-tanan-dehibe, ny fampiroboroboana ny nomerika sy ny angovo azo havaozina,… ka ny 29 tapitrisa euros no hatontona amin’izany. Faharoa kosa ny fanatsarana ny fananan’asa amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tontolon’ny fampiasam-bola na ilay antsoina hoe « CLIM-INVEST » eto Madagasikara, ka hanana anjara andraikitra amin’izany ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar), Minisiteran’ny Indostria,… . Tafiditra ao anatin’ny FED (Fond Européen de Developpement) andiany faha-11 moa io famatsiam-bola io. Raha hatambatra ny famatsiam-bolan’ny FED dia efa 250 tapitrisa euros (1 125 miliara ariary)ny vola nantonton’ny Vondrona Eoropeanina, izay tsy haverina, naompana amin’ny tontolon’ny fotodrafirasa, ny angovo, fitaterana, rano, fanadiovana, ary ilay antsoina hoe «digitalisation ».
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.