Fisotroan’ny reny mitondra vohoka toaka

“Miteraka fahasamponana sy fahatarana ara-tsaina”


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Tetsy amin’ny CGM Analakely no nanamarihana ny andro iraisampirenena amin’ny ady amin’ny soritr’aretina ateraky

ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka toaka na SAF, “Syndrome d’alcoolisation foetale”. Ny SAF misahana ny ranomasimbe indianina eto Madagasikara, ASPE, CCAA, SRA, Ank’izy no niara-nisalahy tamin’izany ny sabotsy teo. Nofidiana manokana ny CGM izay fantatra amin’ny lafiny kolontsaina sy ny teny, hoy ny fanazavana, satria fantatra fa any amin’ny sehatry ny kolontsaina izao no tena mirongatra ny fisotroana zapa-pisotro misy alikaola sy fandraisana zava-mahadomelina. Vitsy nefa ireo manao fanentanana eny fa matetika eny amin’ny oniversite foana na hopitaly sy tahaka izany. Nofidianay manokana noho izany, hoy ny tomponandraikitra, ireo ankizy manao kolontsaina toy ny mpandihy, mpanao Slam, Mpanao Jazz sy ny rehetra. Ankoatran’ny fanentanana isan-karazany dia nampandraisina anjara hanao Slam momba ny lohahevitra ny ankizy. Toy izany koa ny tanora izay nampandraisana anjara anatina velan-kevitra momba izay lohahevitra izay. Efa betsaka ireo nanao fanentanana momba izay ady amin’ny fisotroan-toaka sy fandraisana zava-mahadomelina anay fa ny anay kosa ny tanjona dia ny hampahafantatra ny vokatr’izany dieny hoe mbola any am-bohoka ny zaza. Fahasamponan’ny zaza moa no tena voka-dratsy malaza. Toy izany koa ny fahataran’ilay zaza ara-tsaina. Ho avy aorian’ny ato amin’ny CGM ny fitohizan’ny hetsika izay hifantoka hatrany amin’ny fanentanana sy toromarika momba izay fisorohana voalaza teo izay, hoy hatrany ireto mpikarakara sy mpanentana ity hetsika ity ireto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT