Actualités

FISOTROAN-DRONONO HO AN’NY TANTSAHA Vonona handoa latsakemboka izy ireo


  • Alarobia 23 Jolay 2014

Ny faritra Vatovavy Fitovinany no toerana fahenina nosafidian’ny CNaPS sy ny Tranoben’ny tantsaha hanaovana fanadihadiana ifotony, dingana iray amin’ny fametrahana ny fisotroan-drononon’ny tantsaha manerana Nosy

Mialoha ny asa rehetra toy ny tany amin’ireo faritra hafa naleha teo aloha dia nisy hatrany ny fihaonan’ny Delegasion’ny CNaPS sy ny Tranoben’ny tantsaha tamin’ireo manampahefana any an-toerana ka nanombohana izany ny tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Manakara. Tantsaha avokoa ny 90%-n’ny mponina ao anatin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ny voly fanondrana toy ny jirofo sy ny kafe no betsaka mpamboly ankoatra ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Mitovy hevitra ary samy resy lahatra ireo tantsaha any an-toerana fa hatramin’izay dia ny mpiasam-panjakana ihany no mandray fisotroan-dronono koa faly izy ireo amin’izao fitsinjovan’ny Tranoben’ny Tantsaha sy ny CNaPS azy ireo izao. Ingahy Rakoto Georges Jean Marie izay mpamboly jirofo ao Marofarihy, dia nilaza fa vonona handoa ny latsakemboka ary miandrandra handray vola 400 000 Ariary amin’ny fisotroan-dronono ny tenany satria aminy dia kely loatra ny karama farany ambany eto amintsika ka tokony hamboarina. Marihina fa hatreto aloha tsy voafaritra mazava ny vola tokony horaisin’ny tantsaha amin’ny fisotroan-dronono. Miankina tanteraka amin’ny fanadihadiana atao manerana ny Nosy izany. Saro-pady, araka izany, ny fanadihadiana, hoy Atoa Razafindraibe Jean Jacques, Directeur du Contrôle et de Gestion eo anivon’ny CNaPS ka izay indrindra no nahatonga ny Tranoben’ny Tantsaha sy ny Tahirim-pirenena manofana  ireo tantsaha teknisianina mialoha ny hitetezan’izy ireo ny tokantranon’ny tantsaha manerana ny Nosy. Naharitra roa andro ny fiofanana ka ny andro voalohany dia ranoray, ny andro faharoa kosa dia fanazaran-tena amin’ny fidinana ifotony. Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fanadihadiana ireo mpanadihady amin’ity herinandro diavintsika ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT