Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy Anosy ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny minisitera sy ny
Focus Development na ilay rafitra iray tohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tsy fananan-tsata eto amintsika. Nosafidiana hanombohana ny fiaraha-miasa ny EPP Andriba, 600 km miala an’Antananarivo ary 20 km miala an’i Betsiboka. Olana any an-toerana ny fahamaroan’ireo kilonga tsy manana kopia nahaterahana ka ahiana hiteraka ny tsy fanana-tsata, izany hoe toy ny olon’olom-poana tsy fanta-piaviana noho ny tsy fananany taratasy mombamomba azy. Dieny mbola kely ireo kilonga dia hampianarina ny maha zava-dehibe ny tsy fanavakavahana ary isarihana ny sain’izy ireo ankoatra ny fanabeazana mifandraika amin’izany ny fanarenana ity EPP izay tsy mifanaraka amin’ny filana misy ankehitriny intsony. Iray volana no faharetan’ny tetikasa ary efitrano 9 no harenina ho ana mpianatra manodidina ny 450 isa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.