Fisorohana ny gaboraraka

Mila ianarana , fehezina ary ampiharina ny « code de travail »


  • Talata 17 Desambra 2024

Tsy mora ny mikarakara olombelona satria samy manana ny toe-tsainy ny olona rehetra

Tsy mora ny mikarakara olombelona satria samy manana ny toe-tsainy ny olona rehetra. Ary ny tena sarotra amin’ny fitantanana mpiasa dia ny "Gestion de conflit" satria rehefa misy ady dia misy hery mifanohitra ao, ka zay no mafy sy sarotra amin’ny asan'ny DRH (Directeur des Ressources Humaines) na ny tale misahana ny maha-olona. Ka tsy maintsy ilàna fianarana sy fahaizana. Izay no antom-pisian'ny CFRH-Insitute dia ny fampianarana ny Code de travail na ny Lalàna mifehy ny asa satria isan'ny mahatonga ny olana eny anivon' ny orinasa ny tsy fahampian'ny fahalalan'ny olona momba ny fitsipika mifehy ny asa. Matetika mantsy ny olombelona rehefa fehezina dia lasa mankahala ny tompon'andraikitry ny RH (Ressources Humaines) kanefa tsy maintsy hajaina ny fitsipika mba tsy hisian' ny gaboraraka ao am-piasana. Fa raha tsy izany dia izay te-hiditra amin’ny 8ora maraina miditra amin’ny 8, izay te-hiditra amin’ny 12ora atoandro miditra amin’ny 12 dia izay dia efa tsy mety hoy Ramatoa Olivia Rakotonarivo Rakotoarisoa Filoha mpanorina ny CFRH-Institute tamin’ity 2004. Feno 20 taona ankehitriny ny CFRH - Institute ka teny amin’ny CCI Ivato no nanamarihana izany tamin’ny famoahana ny andiany Iratra. Legende : Rtoa Olivia Rakotonarivo Rakotoarisoa Filoha mpanorina ny CFRH-Institute.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT