Ny 112 tamin’ireo mpandeha 145 tamin’ny sidin’ny Air Madagascar MD 51 ny 19 martsa no tratra antso tamin’ny fiantsoana nataon’ny manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena.
Nanaiky sy nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra dia ny fanokana-monina izy ireo, mba hifehezana sao sanatria misy mitondra ny tsimok’aretina Covid 19. Mpandeha 22 isa kosa no mampanahy satria tsy tratra antso, raha toa ka iray tsy nandray ny antso. Misy 7 efa namely ny antso, ka nitolo-batana, raha ny vaovao farany. Manentana haingana dia haingana azy ireo hiantso haingana ny laharana 914 na ny zandary akaiky indrindra ny fanjakana. Eo am-pikarohana azy ireo ny mpitondra, izay fantatra avokoa ny adiresy misy azy, fa tokony hahatsapa tena avy hatrany kosa ireo olona ireo. Mety ho loza ho an’ny fiarahamonina izy ireo. Tokony hatoka-monina satria raha sanatria mitondra ny tsimokaretina, dia tena loza ho an’ny firenena sy hanaparitaka haingana ity areti-mandoza ity. Raha ny antontan’isa omaly moa, dia 1253 no mitoka-monina sy arahi-maso isan’andro amin’izao fotoana izao, ka misy ny eto Antananarivo, Toamasina, sy any amin’ny faritra vitsivitsy izay 1 avy amin’ny ankampobeny. 19 ireo tranga ahiahiana, ary ny efa voamarina fa voa dia mijanona ho 12, raha ny fanazavan’ny Pr Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, lehiben’ny “Centre de Commandement” mikasika ny Coronavirus, izay manana ny foibeny eny amin’ny MBC Ivato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.