Ny talata maraina tamin’ny 6ora sy 31 minitra no tapaka tampoka ny fahitalavitra Real TV, fotoana hamerenana ny fandaharana manokana niarahan’io fahitalavitra io tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy ny fampitam-baovao.
Nanao ny fitiliana ny tompon’andraikitra ary fantatra fa ny teny Ambohimitsimbina misy ny “Emetteur” no nihavian’ny olana, dia niakatra teny. Hita teny ary, fa notapahana tamin’ny “Pince” ny “connecteur-n’ny faisceaux, izay mipetraka eny ambony Pylone, ary io hasomparana io dia manamora ny fifampikasohana herinaratra mankany amin’ny “Emetteur”. Misy piesy manan-danja izay nafarana avy any tany Italie ihany koa nosimbaina. Tsisy afaka miakatra eny raha tsy manana taratasy. Tsy maintsy teknisianina no nanimba ilay izy satria teknisianina ihany no mahay hoe ny Faisceaux no potehana dia tsy mandeha ny TV, hoy ny fanazavana. Miaramila no miandry ny toerana eny Ambohimitsimbina izay toerana saropady misy ireo karazana Emetteur maro be, manana fahazoan-dalana vao afaka miditra ao. Hitory ary hanao « plainte contre X” ny Real TV ary efa naka vaditany nanamarina ny zava-misy. Ny taona 2018 nanaovana ny andrana, dia efa nisy ny antsojay tao amin’ny toerana misy ny fitaovana ara-informatika iraisana amina haino aman-jery maro, saingy ny an’ny Real TV/Radio ihany no nisy nangalatra, ary tsy mbola hita na nosokafana aza ny fanadihadiana. Mila fahazoan-dàlana roa alaina isan’andro any amin’ny Direction des Infrastructures Techniques: iray hahafahana miditra ao Ambohimitsimbina, ary iray hiakarana amin’ny pylone. Voalaza fa mbola mila alalana amin’ny manam-pahefana ambony ny famoahana ireo, ka manomboka anio 9 aprily no mety hivaliany. Ahiana ho misy ambadika politika avo lenta ity toe-javatra ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.