Tera-tany Sinoa iray sy lehilahy mpandika teniny iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP 1 Analakely ny alakamisy 03 aogositra lasa teo.
Tamin’io marainan’ny alakamisy io raha tsiahivina no tonga nametraka fitoriana tao amin’ity kaomisaria ity ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny varotra etsy Ambohidahy mahakasika ny fisiana tera-tany sinoa iray sy ny mpandika teniny izay hatao fanadihadiana eo anivon’io Ministera io satria mikasa ny hanao kolikoly. Fantatra moa fa manafatra vata fahitalavitra tsy misy marika avy any ivelany izy ireo, ka mametaka izay marika tiany an-tsokosoko eto an-toerana ary mivarotra izany. Voararan’ny lalàna anefa izany ka izay no antony nampiantsoana azy ireo teo anivon’ny Ministeran’ny varotra mba hanaovana fanadihadiana . Manoloana izany anefa dia niezaka ny nandamin-draharaha tamin’ny alalan’ny kolikoly izy ireo. Voasambotra tao Ambohidahy izy roalahy ka nentina hanaovana fanadihadiana teo anivon’ny Polisim-pirenena. Tamin’izany anefa dia mbola notambazan’izy ireo vola indray ny polisy nanao famotorana azy. Nogiazana avy hatrany noho izany ilay vola mitentina 480.000 Ar izay natolony, ary voaporofo fa tena nikasa hanao kolikoly marina izy ireo. Aorian’ny fanadihadiana dia hatolotra ny fampanoavana ity tera-tany sinoa sy ny mpandika teniny ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.