Actualités

Fisolokiana teny Ambodin’Isotry Natakalo vovo-bolamena sandoka ny vola sy ny entana


  • Zoma 14 Aprily 2023

Mahazo vahana hatrany ny asa fisolokiana eto amintsika no sady miseho amin’ny endrika maro.Vao tamin’ny sabotsy 08 aprily teo ohatra tetsy Ambodin’Isotry dia Renim-pianakaviana iray handeha hiantsena Paska no lasibatra.

Raha araka ny fanazavam-badiny dia nisy olona mody nanipy tavoahangy toy ny feno vovo-bolamena mavomavo mangirana nanoloana azy. Rehefa niondrika nandray azy io ilay vehivavy dia mody nilaza ho nahita izany ihany koa ilay mpisoloky nanipy azy avy any aoriana ka nandresy lahatra itsy voalohany mba hifanaraka aminy. Samy nahita isika mirahavavy hoy ilay mpisoloky ka andao hatao ny fandaminana. Rehefa niresaka izy ireo dia toy ny tsy nahatsiaro tena intsony ilay Ramatoa voasoloky izay nomarihim-badiny fa naharitra ora 6 teo noho eo. Nalain’ilay vehivavy mpisoloky io avokoa nandritra izany ny vola 5 hetsy Ar tany amin’ity Renim-pianakaviana ity ambin’ny niantsenany ho an’ny fetin’ny Paska niampy ny entana rehetra feno harona saika hanaovana fety. Mbola tongan’ilay Ramatoa voasoloky tany an-tokantranony moa ilay vovo-bolamena sandoka io raha araka ny fanazavam-badiny hatrany ary mbola ambetiteniny ny hoe : hanan-karena amin’izay isika nefa fa misaotra an’Andriamanitra nefa vovo-bolamena sandoka. Ilay mpisoloky kosa nanjavona tsy hita. Mbola hafahafaha hatrany moa io Renim-pianakaviana io tonga tao an-tokantrano ka ora maromaro mihitsy vao tonga saina tamin’ny nanjo azy hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Tavoahangy nisy zavatra mavomavo tahaka izao no namitahan’ilay mpisoloky ilay Ramatoa niantsena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT