Fisolokiana tamin’ny MVola
Roa tamin’ireo efatra tratra no naiditra am-ponja
Fisolokiana tamin’ny MVola
Roa tamin’ireo efatra tratra no naiditra am-ponja
xLehilahy iray monina ao Beloha Androy no nosolokian’olon-tsy fantatra ary nangalàny vola mitetina 3.400.000 Ar tamin’ny alalan’ny Mvola ny zoma faha 24 aprily lasa teo. Taorian’ny fametrahany fitoriana teo anivon’ny polisim-pirenena dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ireto farany ka fantatra nandritra izany fa monina ao Farafangana ireo olona 04 izay nambaran’ny mpitory fa nisoloky azy. Nisy ny velam-pandrika natao ka voasambotra tao manakara ireo olona 04 ireo ny faha 16 ka hatramin’ny faha 20 mey 2020 teo. Niaiky ny helony ny 02 tamin’ireo voasambotra raha nandà ny fiampangana azy kosa ny 02 ambiny. Natolotra ny fampanoavana tao Manakara ireto 04 dahy ireto ny zoma faha 22 mey 2020. Ny 02 tamin’izy ireo nahazo fanafahana vonjimaika raha naiditra am-ponja kosa ny 02 ambiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.