Actualités

Fisolokiana sy hosoka Karohina ny mpitantana ny Vaniala Export


  • Talata 13 Oktobra 2020

Namoahan’ny Polisim-pirenena didy fampisamborana I Tilahy Fabio Marie Grazia lehilahy Mpitantana ny orinasa VANIALA EXPORT sy Mpanondrana lavanila. Fisolokiana, fampiasana hosoka (Abus de confiance, escroquerie, et faux et usage de faux)

 

 

 

 no antony hanenjeana azy. Nanome toromarika Service Central des Investigations Economiques et Financières Anosy mba hiantsoana ny 034 14 522 18 na ny 033 12 125 87 na ny 033 24 054 15 ho an’izay manana vaovao momba io olona io, izay teny LOT G III 28 Ter Soamanandrariny no voalaza fa toeram-ponenany farany. Nanome toky ny Polisim-pirenena fa tànana ho Tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Nampahafantarina ny rehetra fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehana amin’ny lalàna.

VERY NY FITOKISAN’NY OLONA AN’I MADAGASIKARA

Efa lasa anton’asa iray eto Madagasikara ny fisolokiana, fisandohana, fivadiham-pitokisana. Be loatra ireo te hanan-karena tampoka ve sa ahoana ? Tsy mahatanty ny mena miraviravy mihitsy ve sa inona fa maro ny olona natokisana nomena andraikitra lehibe avy eo mivadika? Ny maharatsy ny zavatra tahaka izao dia lasa tsy atokisan'ny mpampiasa vola isika satria saika ahitana toe-javatra tahaka izao, afera maloto, kolikoly avo lenta, fanodinam-bola,… na ny sehatra miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Izay ihany koa angamba no ts mampisy tetikasa goavana na “Projets de grands investissements” eto. kapotsaka loatra ny Malagasy dia mionona amin’ny resaka 500, 300 tapitrisa dolara. Tsy mba misy mihitsy hoe io orinasa goavana hampiasa 5 miliara mandritra ny 5 taona ohatra, tsy atokisan’olona na ny mpitondra na ny mpiasa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT