Actualités

Fisolokiana nataon’ny FILEFA Olona 3760 no very vola tamin’ny resaka tany tsy misy akory


  • Zoma 19 Mey 2023

Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny zandary misahana ny fikarohana ny heloka bevava etsy Fiadanana Antananarivo

dia fantatra fa resaka fisolokiana fotsiny ilay fampanantenana fanomezana tany nataon’ny fikambanana Leo Fahantrana (FILEFA). Tsy misy akory ilay tany 27 hekitara hozarain'ny fikambanana maimaim-poana ho an'ireo vahoaka an'arivony nampanantenainy izany. Olona manodidina ny 3760 isa avy ao amin'ny faritra Ivato, Paraky ary Andoharanofotsy noho izany no lasibatr’ity fisolokiana ity.Tafakatra 10 ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity hatreto. Na izany aza mbola misy olona maromaro karohina koa. Mitentina 41.360.000 Ar eo ho eo kosa ny tomban'ny vola voasoloky. Natolotra fitsarana ny 16 may lasa teo izy 10 mianadahy mianaka ary samy notanana am-ponja vonjimaika avokoa miandry ny fitsarana azy. Tsiahivina moa fa anisan’ny novoizin’ny fikambanana ny mba hahafahan’ny Malagasy miady amin’ny fahantrana ka hialany amin’ny hofantrano kinanjo lainga avokoa no nafafiny nentiny nakana vola sy nambaboana ny fon’ny madinika.
Légende : Miandry datim-pitsarana anyam-ponja izy 10 mianadahy nanao ny afera maizina
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT