Trangan-javatra iray hafakely indray no niseho teo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina omaly maraina.
Fifamaliana teo amin’ny ramatoa iray sy lehilahy iray samy mbola tanora no nanaitra ireo manodidina sendra nandalo teny an-toerana tamin’io fotoana io. Araka ny fantatra dia kaomandy peratra volafotsy mitentina 15.000 ariary efa ho herinandro mahery no votoatin’ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Tsy nanaja ny fotoana nifanarahana anefa ilay lehilahy mpanefy ary nanjavona mihitsy aza. Kisendrasendra ihany moa no nifanenan’izy mianadahy ireo ka nitaky ny entana takalon’ny vola efa naloa ilay ramatoa. Very maina ihany anefa ny fitakiana izay nataony satria tsy nanaiky hatramin’ny farany ity lehilahy izay lazain’ireo mpivarotra manodidina fa fomba fanaony io fisolokiana miaro hafetsena io. Efa maro ireo olona voany tamin’izany, araka ny fanampim-panazavana ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.