Fisolokiana fandefasana mpiasa any Maurice

Lehilahy iray voasambotra tany Antalaha


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Tratra tany Antalaha ilay lehilahy iray milaza ho afaka mandefa mpiasa Malagasy

any amin'ny Nosy rahavavy Maorisy. Nisy olona nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny Polisim-pirenena Antalaha, ny 07 Aogositra lasa teo nilaza fa voasolokina lehilahy iray, raha tsiahivina. Nilaza ity lehilahy ity fa afaka mandefa olona hiasa any Maorisy ary ao anatin’ny ara-dalàna tanteraka no fanaovana izany amin'ny alalan'ilay orinasa mifandray any an-toerana. Nahazoany vola 5 tapitrisa Ar noho izany ireo lasibatra tamin’ny asa fisolokiana. Rehefa azony ny vola dia tsy azo antso intsony ny findainy raha nanjavona koa izy. Rehefa nokarohin’ny Polisy dia vaosambotra ny 12 aogositra teo ilay lehilahy voarohirohy tamin’io fisolokiana io. Mbola hita teny aminy ny ampahan’ny vola, izay 2 tapitrisa Ar sisa. Toraka izany koa ny finday miisa 5, ary taratasy maromaro manaporofo ny fisolokiana nataony. Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny Polisy izy ho fanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT