Actualités

Fisolokiana etsy sy eroa Izay taitaitra dia roboka, ny mailo tsy tratra


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Olona maro no nitaraina tany Toamasina fa hoe voasoloky.Manodidina ny 85 tapitrisa ariary raha natambatambatra ny vola efa lasan’ilay mpisoloky ;

 

 

milaza ity farany fa hoe mahita asa ao an-tampon-tananan’i Toamasina ary avy eo misandrahaka any amin’ireo distrika hafa manodidina azy sy ny ambanivohitra.Nambaran’ilay mpisoloky izay mitondra ny anarana hoe Manantsoa Modeste araka ny fitantaran’ireo vavolombelona moa fa hoe ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena izany asa izany.Ny volana jolay 2020 teo izany resaka rehetra izany, mazava ho azy fa maro no roboka satria tsy misy na tena very asa mihitsy.Hifarana ihany anefa ity ny volana oktobra, tsy hita izay asa no sady tsy hita popoka ilay milaza fa mahita asa sy afaka mampiditra olona.Tonga saina ireo voaSoloky ka nivondrona sy nikaroka ny fokontany voalaza fa fonenan’ilay rangahy ; tao no nahafantarana fa efa maro no nitaraina noho ny nataony, izy amin’io tsy hita popoka.efa tafapetraka eny amin’ny mpitandro filaminana ny fitoriana ary mandeha ny fanadihadiana.Taorian’Antananarivo izany dia tonga any Toamasina indray ity fisolokiana milaza fa mahita asa ity.

Tokony ho mailo foana

Ny tena marina efa nisy hatry ny ela ny fisolokiana fa miovaova fotsiny ny endriny ; ity hoe mahita asa ity izao dia efa tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 no fanaon’ny olon-dratsy ka ny asa tany amin’ireo firenena Arabo toa an’i Liban sy Koweit no nampilendalendana ny olona.Taty aoriana dia nambara indray fa mahatafiditra olona ho zandary na polisy ireo mpisoloky ; anisan’ny fisolokiana efa fanaon’ireo olon-dratsy ihany koa ny hoe afaka mampiditra olona ho mpiasan’ny ministeran’ny vola Antaninarenina sy ho mpiasan’ny fadin-tseranana.Milaza ireo mpisoloky fa mahatafiditra mpiasam-panjakana ambony sy ny maro hafa.Izao dia fampanantenana hahazo amin’ny tsena-barom-panjakana na hiasa amina tetikasa goavana indray no paikady ampiasain’ireo mpisoloky.Misy zavatra roa lehibe mila fantatra tsara ho an’ny olom-pirenena mba tsy hampijabaka : tsy maintsy misy fanambarana sy taratasy ofisialy mivoaka amin’ny gazety sy ny haino aman-jery foana rehefa misy tolotr’asa, na ho an’ny fanjakana io na ho an’ny sehatra tsy miankina.Faharoa, tsy misy resaka mandoa vola izany mihitsy rehefa mitady asa.Raha ny tokony ho izy, dia azo raisina ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpisoloky ireo olona manome vola azy satria te ho tafiditra ho mpiasam-panjakana na te hahazo ny tsena amina tetikasa iray.Kolikoly no famaritana izany.Raha ny tokony ho izy dia samborina avy hatrany ireny olona ireny hatao fanadihadiana, saingy tsy mbola izay aloha no zavamisy.Na inona na inona fahasahiranana, tena mila mailo ny tsirairay amin’ity resaka hoe mandoa vola dia tafiditra miasa satria asa no tadiavina fa mety ny kely nananana indray no hanjavona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT