Fisolokiana ara-bola avo lenta

Nampitandrina sy niantso fahamailoana ny Fanjakana


  • Talata 11 Martsa 2025

Miantso ny rehetra ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola,

Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, mba ho mailo manoloana ireo olona milaza fa mampindram-bola, mahavita mampitombo vola, na manampy ara-bola, fantatra amin’ny anarana hoe "influenceurs financiers". Maro ny mpisoloky amin’izao fotoana izao, hoy ny minisitra, ka aoka ho mailo ny rehetra. Mitombo isa ny mpanararaotra amin’ny sehatry ny ara-bola, izay miezaka mamitaka sy manararaotra. Noho izany, miantso fahamailoana ny minisitra. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa na dia ny sariny aza dia efa ampiasain’ny kaonty sandoka sasany amin’ny Facebook ho fantsom-pamitahana. Betsaka ireo endrika isehoan'izany hatrany anaty "commentaires" na setrim-panehoan-kevitra amin'ny tambajotran-tserasera sosialy no misy miezaka mampiditra an'ireny resaka fandrobohana amin'ny resaka fampindramana sy fampitomboana vola ireny. Navoitra ao anatin'ny "Global Money Week" na Herinandron’ny Fanabeazana Ara-bola, fankalazana izay hatao eto Madagasikara nanomboka omaly 10 martsa ka hatramin’ny 23 martsa io resaka fahamailoana io. Lohahevitra amin’ity andiany faha-13 amin’ny Herinandron’ny Fanabeazana Ara-bola ity rahateo ny fahamailoana amin’ny fitantanana ara-bola. Noho izany, nataon’ny minisitra antso izany amin’ny alalan’ny teny fohy hoe:“Aza manaraka olona kisendrasendra amin’ny fitantanam-bolanao, fa aoka ho mailo hatrany.” Nambara fa manana Drafitra Nasionaly ho amin’ny Fampidirana Ara-bola (SNIM) 2024-2028 i Madagasikara, izay mampiditra ao anatiny ny fanabeazana ara-bola sy ny fiarovana ny mpanjifa. Io drafitra io dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana sy ny fampiasana ireo serivisy na fikarakarana ara-bola amin’ny fahamalinana sy fiarovana ho an’ny olom-pirenena tsirairay. Nohamafisina fa ny fanabeazana ara-bola izay ampitaina mandritra ny Global Money Week dia miorina amin’ity drafitra nasionaly ity. Araka ny SNIM 2024-2028, fototra lehibe amin’ny fampidirana ara-bola ny fanabeazana ara-bola, satria mampianatra ireo fitondran-tena sahaza amin’ny fitantanana ara-bola. Manampy amin’ny fiarovana ny vahoaka amin’ireo fisolokiana ara-bola isan-karazany ihany koa izany. Navoitra ihany koa fa zava-dehibe ny fampidirana azy ao anatin’ny fandaharam-pampianarana nasionaly, mba hananana kolontsaina ara-bola matanjaka ho an’ny taranaka ho avy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT