Fisolokiana amin’ny tambajotran-tserasera

Voasambotra indray i Maman'i Iavotiana


  • Talata 27 Aogositra 2024

Voasambotry ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Foulpointe ilay madama mpisoloky fantatry ny maro

amin’ny solon’anarana hoe : Maman’i Iavotiana. Raha tsiahivina kely ny tantaran’ity Renim-pianakaviana ity dia izy ilay madama nisoloky nampiasa ny zanany salama tsara izay lazainy fa narary ka nahazoany volabe ka nahatonga azy tany an-dafy mihitsy. https://www.facebook.com/share/q3gxL3xzfzppvNKK/?mibextid=WC7FNe Voasambotra izy tamin’ny taona 2020 araka io rohy eo ambony io.Niverina nanao asa fisolokiana indray anefa ny vehivavy taorian’izany ka mamitaka olona anaty tambajotran-tserasera Facebook no tena talentany. Nitondra ny anarana Vahid Sarrah izy ka ireo mpanao vakansy mitady trano hofaina no nojonoiny tao anaty vondrona Facebook iray tao Foulpointe.Nahazoany volabe ireo olona manana fikasana hivahiny mandritra ny fialan-tsasatra vokatr’izany. Mamono finday anefa izy aorian’izany. Afak’omaly 25 Aogositra anefa dia fantatra fa handeha hamonjy trano fiterahana ao Foulpointe Ramatoa fa hiteraka taorian'ny fikarohana azy. Noraisim-potsiny tao amin’ny hopitaly izy vokatr’izany rehefa nihetsi-haza mafy iny. Teraka omaly 26 Aogositra moa ny anaovavy. Handrasan'ny zandarimaria moa ny anaovavy mandrapivoakany ka hiroso amin’ny famotorana azy izy ireo aorian’izany mialohan’ny hanaterana azy eny amin’ny Fitsarana.
Pati
Legende : Teo am-pihetsehan-jaza mihitsy no tratra ity Renim-pianakaviana ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT