Fisoloana olona tamina

fanadinana, hosoka,… Mpianatry ny oniversiten


  • Alakamisy 15 Janoary 2026

Antananarivo 48 tratry ny sazy henjana

Mpianatra 54 niakatra Filankevi-pifehezana (CODIS) tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ka nandraisana fanapahan-kevitra araka ny didim-panjakana laharana 28457/2025 tamin’ny 11 septambra 2015, araka ny fampitam-baovao ofisialy. Ny 27 tamin’izy dia kandidà tamin’ny bakalôrea, 25 nisoratra anarana tao amin’ny dingana licence, 2 kosa tao amin’ny dingana master. Voampanga noho ny fisoloana olona sy fitondrana anarana tsy azy (substitution de personne, usurpation d'identité), fanaovana hosoka, ary fikasana hanao hosoka amin’ny alalan’ny fampiasana finday nandritra ny fanadinana izy ireo, raha ny tatitra ankampobeny. Vokany, nilatsaka ny fanapahan-kevitra sy sazy hentitra ho an’ny 48 no voasazy arakaraka ny hamafin’ny heloka nataony, amin’ny endrika fandroahana vonjimaika mandritra ny 3 ka hatramin’ny 5 taona na fandroahana tanteraka, miaraka amin’ny fandraràna tsy hisoratra anarana sy tsy handray anjara amin’ny fanadinana ao anatin’ny sekoly ambony rehetra. Ankoatra io, raha tsiahivina, dia misy ihany koa ny hetsika « Fosika » eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana, ka raha ny tatitra ny herinandro lasa teo, dia efa nahatratra 272 ny fitarainana voaray teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa na ny MESUPRES. Araka ny tatitra ofisialy, fitarainana 98 no efa nandraisana fepetra taorian’ny fanamarihana sy fanaporofoana, raha mbola eo am-pikarakarana kosa ny ambiny. Ireo raharaha ireo dia mahakasika indrindra ny fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna, ny herisetra ary ny fisian’ny diplaoma sandoka. Fitarainana 17 no nalefa any amin’ny BIANCO hanaovana fanadihadiana lalina. 73 kosa karakarain’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly (CAC) eo anivon’ny MESUPRES. Hanaovana fanadihadiana manokana koa ny mahakasika sekoly doktoraly 2; fahazon-dalana fanofanana 2 avy amin’ny oniversite tsy miankina sy oniversite 4. Mandeha izany ny fanadiovana eo amin’ny tontolon’ny anjerimanontolo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT