Mahaliana ary andrasan’ny maro hatrany ny hiverenan’ny orinasa Tiko eo amin’ny fampandrosoana sy famokarana ireo vokatra tena Malagasy vokarin’ity orinasa ity. Nasian’Atoa Ravalomanana resaka nandritra ny diany tany Antsirabe farany teo ny manodidina ny fisokafan’ny Tiko
. Nambarany indray fa efa vonona amin’ny tokony hampihodinana izany izy ireo ho an’ny fampivoarana ny toekarena eto Madagasikara sy ho famerenana asa ny rehetra. Mbola ny fanjakana foana no sakana amin’izany, hoy izy, satria tsy mbola omen’izy ireo fahazoan-dalana hiasa ny tompony. Misy ihany koa ny antsojay sy ny tery izay ataon’ny fanjakana, izay tsy fantatra ny antony amin’ny tsy fanomezana alalana amin’ny hamokarana ny vokatra toy ny “Yaourt” izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana moa fa tsy maintsy hihodina ihany ny orinasa Tiko na ho ela na ho haingana ka dia ho hita eo izany. Nanamafy moa ny tenany fa tsy ny hifaninana amin’ireo mpamokatra Yaourt akory no tanjony, indrindra ireo mpamokatra madinika izany fa vao mainka aza hifanampy amin’ny rehetra amin’ny hisian’ny vokatra manaraka ny kalitao tsara. Eo ihany koa ny fanampiana ny tantsaha sy ny mpiompy ombivavy be ronono izay tena nahafantarana ny vondrona Tiko. Mbola tantara mitohy indray izany ny manodidina ny fisokafan’ny orinasa Tiko na dia efa maro aza no be fanantenana ny hitobahan’ny vokatra manerana ny Nosy nahare ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana, mpanorina sy mpitantana ity vondrona orinasa Malagasy natanjaka teto Madagasikara ity.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.