Actualités

Fisamborana Paramed Nahiliky Teandrazanarivelo any amin’i Organčs


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Niverina nifampidinika indray ny fanjakana sy mpiasan’ny fahasalamana taorian’ny fisamborana nahazo ireo mpitsabo mpanampy sy tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera ny fiandohan’ny herinandro teo.

Nidina teny amin’ny hopitaly HJRA mihitsy ny praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana, ny Pr Teandrazanarivelo Alain Bernard omaly maraina nandamina ny savorovoro niaraka tamin’ireo mpiasa mitokona. Nandritra ny fanazavan-keviny no nanambaran’ny Praiminisitra lefitra fa tsy baiko avy aminy no nahatonga ireny fisamborana ireny fa avy eo anivon’ny minisiteran’ny filaminana anatiny, tantanan-dRakotomihantarizaka Rémy Sylvain Organès. Nilaza ho tsy nahalala ny fisian’iny tranga iny akory moa ny Pr Teandrazanarivelo Alain Bernard. Marihina fa efa navoaka omaly avokoa ireo voasambotra saingy milaza ho nahazo fandrahonana avy amin’ireo polisy miasa eo anivon’ny Brigade Criminelle izy ireo na izany aza. «Misy tamin’ireo polisy no niteny fa havantana avy hatrany eny Antanimora izahay raha mbola miverina mitokona indray satria lazaina ho mpanakorontana ny filaminam-bahoaka, hono. Tsy mampihemotra anay amin’ny fitakianay anefa izany», hoy ny iray amin’izy sivy lahy navotsotra omaly izay naniry tsy hitonona anarana.

Ankoatra izay dia nanambara ny hagagany koa ny praiminisitra lefitra, hoy i Marcellin manoloana ny fitarazohan’ny fivahan’ny olana. Raha ny hevitr’ity tompon’andraikitra voalohany ity ka nampitainy tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nifampidinika taminy omaly dia ny alatsinainy teo no efa tokony hivalona ity resaka fangatahana sata manokana sy fanatsarana ny mari-karama ity. «Nifamory avokoa ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny asam-panjakana tamin’ny alarobia lasa teo saingy tsy nisy ny zavatra tapaka satria tsy nisy nipoitra ianareo mpitokona izay tokony hiara midinika amin’izy ireo », hoy ny minisitra. Ireo mpiasa koa anefa dia nilaza ho tsy naharay izany fanasana azy ireo izany. Nanapa-kevitra ny roa tonta fa haverina indray ny fandinihana ireo pitsopitsony ara teknika ireo. Marihina fa mbola hanohy ny «Sit in» hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo na dia teo aza ny fisian’ny fanenjehana azy ireo.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT