Nifarana omaly alahady 27 septambra ny fifaninanana “First global challenge 2020” eo amin’ny tontolonn’ny robotika. Natao hoa an’ny tanora 14 ka
hatramin’ny 18 taona io ka 5 mianadahy ireo tanora vao erotrerony mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, izay tafiakatra tamin’ny famaranana nahitana ireo 5 voalohany tamin’ny firenena 190 nandray anjara. Araka ny nambaran'ireo mpikarakara anefa, dia afaka iray volana no hivoaka ny valiny farany hoe: iza no voalohany hibata ny amboara. Ny sabotsy 31 oktobra no lanonana goavana hampahafantarana ny mpandresy sy hanakatonana ity lalao olaimpikan'ny robotika sy ny STEM ity. Isan-taona dia misy firenena iray mampiantrano azy ity, saingy niova ny endrina tamin’ity andiany 2020 ity noho fisian’ny valanaretina coronavirus. Tamin’ny alalan’ny teknolojia ampitain-davitra noho izany no nanatanterahana ny fifaninanana. Irariana hatrany mba ny tanora Malagasy no hivoaka ho mpandresy amin’ity indray mitoraka ity. Ny tsy azo lavina dia mamiratra ireo tanorantsika eo amin’ny tontolon’ny robotika, nomerika, informatika. Tsy vao izao no nandray anjara amin’ny fifaninanana tahaka itony ny Malagasy, ary mamiratra hatrany, ka mila jerena akaiky ny hitrandrahana an’ireny ho lasa fanoitra hampandrosoana ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.