Firenena tsy mamokatra sy miha fadiranovana

Mbola rendrarendra no handaniana volam-bahoaka


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Tao anatin’ny roapolo taona farany, dia nanakana ny fitomboan’ny toekarena sy ny harin-karena na PIB

ny fihenan’ny fampiasana loharanom-pamokarana, raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena tao anatin’ny «note de conjoncture économique » mikasika an’i Madagasikara ny talata 25 febroary 2025 teo. Fanamby goavana mila tratra ny fanatsarana ny famokarana. Tamin’ny 2010-2019, nitombo 2,9 % isan-taona ny toekarena, saingy nihena 0,2 % ny PIB isaky ny mpiasa. Ny fiovan’ny mponina sy ny asa no nanosika ny fitomboan’ny sandan’ny vokatra isaky ny olona, fa ny fihenan’ny vokatra amin’ny asa dia nanakana izany. Tsy vitan’ny hoe vitsy kokoa ny asa sy ny renivola tafiditra tao amin’ny toekarena, fa nihena ihany koa ny fahombiazan’ny fampiasana azy ireo amin’ny famokarana. Vokatr'izany, latsaka telo heny ambany ny vokatra azon’ny mpiasa malagasy raha oharina amin’ny any Afrika atsimon’i Sahara. Ny 25 % amin’ireo orinasa mahomby dia afaka mandoa karama fito heny noho ny 25 % amin’ireo orinasa manana vokatra ambany indrindra. Noho ny fidiram-bola ambany, 70 % amin’ny mponina no miaina ambanin’ny fetran’ny fahantrana 2,15 dolara isan’andro. Mihasarotra hatrany ny fandrosoana noho ny fihozongozona miverimberina sy ny fahabangana amin’ny fahafahana miarina. Ireo olana ara-politika, toetr’andro, sy fahasalamana dia misy fiantraikany amin’ny marefo indrindra, nefa vitsy ny rafitra manampy. Ny krizy politika, toy ny fifandonana 2009-2012, dia nanakana ny fitomboana ara-toekarena. Ny toekarena dia mifototra amin’ny fambolena sy ny « services » manana vokatra ambany, ary ny fitomboana dia voafetra amin’ny sehatra vitsivitsy, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fanorenana. Mitombo ny sehatra indostrialy, saingy mbola kely, raha toa kosa ka lehibe nefa mihisatra ny fambolena izay marefo amin’ny loza voajanahary. Tamin’ny 2013-2019, ny sehatry ny « services » dia nandray anjara 55 % amin’ny fitomboan’ny PIB. Ny sehatry ny indostria, anisan'izany ny fanorenana sy ny fitrandrahana, dia nitombo 8,6 % ary niantoka ny antsasa-manilan’ny fitomboan’ny PIB, indrindra noho ireo tetikasa fitrandrahana ny 2009 sy 2012. Raha tarafina amin’izany, ny famokarana, ny fambolena, ny indostria, sy ny harena an-kibon’ny tany no tokony ho laharam-pahamehana, kanefa dia fandaniana amin’ny tetikasa tsy tena mamokatra sy tsy miteraka harena no hihazazahan’ny Fitondrana ankehitriny handaniana vola tsy toko tsy forohana : teleferika handaniana 152 tapitrisa dolara, kianja Barea nandaniana 77 tapitrisa dolara kanefa lalao maro izay no tsy azo natao tao, ny Tanamasoandro, Miami, Lac Iarivo,... Ny vary hohanina aza mbola vary hafarana no hanaovana fampanantenana ny Malagasy fa 750Ar ny kapoakan’ny vary moa kanefa isika manana tanimbary midadasika. Ny sinoa sy ny vary safiotrany no ivavahana lazaina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo rehefa nolazaina tany aloha fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra,… Ny harena an-kibon’ny tany eto dia olom-bitsy no migalabona fa tsy mba atao tsara tantana ho fanoitra iadiana amin’ny fahantrana. Manginy fotsiny ny Fanjakana ratsy tantana sy ny endrika fivarotan-tanindrazana samihafa. Izao ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT