Nirehitra nanomboka ny talata 12 septambra teo ny valanjavaboarin’Isalo, ary omaly alakamisy 14 septambra vao voafehy tanteraka ny afo.
Tsy fantatra mazava izay anton’ny firehetana. Raha ny resaka mandeha dia niniana nodorana izy io. Efa tafiditry ny olana momba ny fitrandrahana safira rahateo ao an-toerana, ka asa na misy ifandraisany amin’izay na fifanandrian-javatra ihany.
Raha izay tokoa no tao ambadiky ny fandorana dia paikady hahafahana mamotika ny valanjavaboahary sy hahafahana mitrandraka harena ankibon’ny tany ao anatiny ity toe-javatra ity. Ireo fokonolona any an-toerana sy ireo mpisera dia na mpitarika mpizahatany ao Isalo niampy ireo hafa sendra nitondra vahiny tany amin’ity toeram-pizahantany ity no nanao izay ho afany fa ny minisiteran’ny fizahantany kosa tsy nisy ny andraikitra noraisina. Voakiana mafy ity minisitera ity sy ny Madagascar National Park, sehatra tsy miankina miandraikitra ny fitantanana ny valanjavaboary. Maro mantsy ny fanehoan-kevitra milaza fa mitango vola fotsiny no tena ataon’izy ireo, saingy tsy mba misy ny tamberin’andraikitra amin’izay. Toerana mahasarika mpizahatany marobe eto amintsika Isalo. Ho an’ny teratany vahiny iray, 45 000Ar isan’andro ny sarany ho an’ny olon-dehibe, ary 25 000Ar kosa ho an’ny ankizy. 2 000Ar kosa ho an’ny teratany Malagasy. Hatramin’ny vondron’olona ifotony any an-toerana no tsy dia mankasitraka loatra ny afitsoky ny minisitera sy ny mpitantana azy ity satria tsapan’izy ireo fa mampidi-bola be kanefa tsy mba misy tamberiny hanasoavana ny any an-toerana. Mitaintaina tanteraka ny mpitondra mpizahatany sy ireo tompona hotely lehibe any an-toerana amin’izao fotoana. Tsy vao izao no nisian’ny valanjavaboary may saingy toa vitavita ho azy hatrany. Hireharehana fatratra ny fanitarana ny seranam-piaramanidina Ivato, saingy raha may sy hodorana tahaka izao daholo ve ny valanjavaboary sy ny harena voajanahary hisy intsony ny mpizahatany ho avy eto ? Mety hivoaka ve ny marina momba ity zava-doza tany Isalo ity sa ho vitavita ho azy toy ireo rehetra niseho teo aloha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.