FIREHANA POLITIKA TSY MITOVY

Betsaka ireo mpivady tsy mifanaraka


  • Zoma 14 Febroary 2025

Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia

mifandona ihany izany fa tonga hatrany an-tokantrano mihitsy izy io ary tsy vitsy ireo efa nisaraka. Tamin’ny datin’ny 26 Jaoary taona 2009 nisian’ny Alatsinainy mainty teto amintsika ohatra dia maro efa nisara-panambadiana. Ny lahy nanohana ny fitondrana mijoro amin’izao, ny vavy kosa nanohana ny filoha teo aloha Ravalomanana. Mbola mitohy mandraka ankehitriny io tranga hiainan’ny mpivady sasany io. Ho an’ireo izay nifampitso-drano dia efa nisaraka ny lalana fa ho an’ireo mbola nanohy kosa dia mbola mitohy ny fifandonana. Mifoha hatrany ny resa-politika manoloana ny fihanaky ny fahantran’ny Malagasy ankehitriny toy ny hoe : ianareo ihany no te-hifidy an’io, zao tsapanareo tsara ny vokany sy ny hoe : raha ny anay zao no mbola nitondra teo tsy ohatra an’izao ny fidangan’ny vidim-piainana, tsy mihafibe tahaka izao isika amin’ny resaka sakafo… Tonga hatrany amin’ny fifanomezan-damosina mihitsy izany amin’ny alina. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina Fokontany iray etsy Atsimondrano eny dia anisan’ny mbola adin’ny mpivady amin’izao io firehana politika tsy mitovy io. Latsain-dravehivavy ralehilahy rehefa mitaraina ho tsy dia mahita vola firy avy any am-piasana fa tsy nahatratra olona vokatry ny fitohanana mampahalaza izao fitondrana izao. Mitohy hatrany izany ka mihafara amin’ny tabataba tsy hifandrenesana manakorontana fiaraha-monina amin’ny alina. Ny mitovy firehana politika araka izany no tokony hiaraka na koa ireo mahay mifandefitra na dia tsy mitovy aza ny fomba fijery fa izay mahasoa ny tokantrano sy ny ankizy no jerena.
Pati
Legende : Efa nampisaraka mpivady maro ny firehana politika tsy mitovy teto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT