Amin’izao fijoroan’ny filànkevitra
momba ny fiarovana ny firenena ho an’ny tetezamita na «Comité de défense nationale de transition» izao dia nanambara ny Firaisan’ny mpandinika Miozolimanina eto Madagasikara na FMMM fa manana tolokevitra izy ireo. Isan’ny ny eo amin’ny lafiny politika dia ny fanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny firenena mpanjanaka frantsay ary mametraka fiaraha-miasa amin’ny iray amin’ireo firenena manana politika ivelany mazava momba ny fanohanana ny firenena afrikanina te ho afaka tanteraka amin’ny fanjanahana an-kolaka. Faharoa, ny fanamafisana orina sy fampiharana an-tsakany sy an-davany ny fampisarahana ny raharaham-pirenena sy ny asam-bahoaka ankapobeny amin’ny raharaham-pinoana. Fanesorana ny politika amin’ny asam-bahoaka sy ny lafiny ara-tsosialy, indrindra, ny fanabeazana sy ny famoronana asa ary ny fampandrosoana ankapobeny. Fampitoviana lenta ny olompirenena rehetra eo amin’ny fiantsorohana adidy sy fisitrahana zo fototra ary koa eo amin’ny fitsinjaràna tombontsoa iraisana ao anatin’ny fanamafisana orina ny maha iray tsy mivaky ny firenena malagasy. Ilaina ny fialàna miandalana amin’ny fiankinan-doha amin’ireo mpamatsy vola nahazatra hatramin’izay sy fitadiavana famatsiam-bola tsy misy zanany ao anatin’ny fifampizaràna tombontsoa ara-dariny. Fitrandrahana araka izay azo atao ireo loharanon-karena sy fanodinana ary famatsiana ara-drariny ny fanondranana ireo vokatra avy amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy ao anatin’ny foto-pisainana mikendry ny hialàna tsikelikely amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Fandanjalanjàna ara-drariny ny tetibolan’ny andrim-pitondràna isany avy sy ny faritra rehetra manerana ny nosy ao anatin’ny fampiharana tanteraka ny politikan’ny fitsitsiana sy fiafiana. Fananganana tahirim-pirenena na «banque nationale» sy fampidirana ireo tahiry sy famatsiam-bola madio sy lavitry ny fitsetsefana avy any ivelany. Raisina ho laharam-pahamehana ny fanofànana arak’asa faobe ho an’ny tanora amin’ny sehatra rehetra mamaly ny filàna eo amin’ny tontolon’asa, sy famoronana asa eto an-toerana ary koa fanatsaràna sy fanamoràna ny fahazoana mandefa tanora hiasa any amin’ny firenen-kafa mendrika izany. Omena sehatra ireo manam-bahaolana vonjimaika momba ny famatsian-drano sy herinaratra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Sokafana ny fahazoan’ny tsara sitrapo eto an-toerana sy any ivelany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ireo ray aman-dreny tsy manan-katao ho an’ny fampianarana ny zanany sy eo amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary koa eo amin’ny tsy fahazoana fitsaboana sahaza ny mahaolona, Raha ny voalaza tanatin’ny isan’ireo vahaolana naroson’ny FMMM.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.