Lalina ihany ity fitiavana te-hanambe ity ! Mahavatra manamboatra kopia sy kara-panondrom-pirenena sandoka mihitsy ny olona ankehitriny mba hisolokiana olona amin’ny fifampiraharahana ara-barotra na ara-panjakana fotsiny tsotra izao
Nambaran’Atoa Rakotomanga Andriamahandry, lefitra voalohan’ny Firaisana faha-4 eto Antananarivo-Renivohitra (etsy Anosy) fa vao tamin’ny zoma teo no nisy olona saika hivarotra tany no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tao amin-dry zareo fa nahiahian’ny mpividy ho nitondra kara-panondro hafahafa. Ity farany moa no niantso mangina an’ireo mpisambotra nialoha ny tsy nahavitan’ny fifanarahana ka noraisim-potsiny ireto mpanao ratsy. Tapabolana lasa koa izay, hoy ity tompon’andraikitra ity, nalefa teny amin’ny Zandarimariam-pirenena Betongolo ny mpanao kara-panondro sandoka saika hivarotra tany ihany koa (nakana situation juridique). Misy olona ihany koa eto tratra amin’ny fanaovana kopia hosoka (fitomboka vita avy any ivelany no nataony na koa sonia natao ”scanner”. Ankoatra izany dia misy manao fanjanahana sandoka koa eto mba hahazoany mandova olona tsy fantany akory. Maro ihany koa amin’ireo “officier publique” no mitaraina, hoy ity lefitry ny Firaisana fahefatra ity, fa misy manao taratasy fandovana sandoka “acte de notorieté” hahazoana lova be ho azy. Manainga ny tompon’andraikitra mahefa izahay, araka izany, hoy Atoa Rakotomanga Andriamahandry, mba hanara-maso akaiky ireny asa fahazoana manao hosoka ireny (photocopie, sy cachet eny an-tsisiny). Ny fepetra efa noraisinay eto amin’ity Firaisana ity aloha izao dia olona tokana ihany no nampitazomana “cachet” sy mametataka izany amin’ny taratasy atao. Marihana, hoy izy, fa efa be amin’ireo mpanao hosoka miaraka amin’ny mpampaniraka azy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy (maro ny mpiasan’ny Firaisana sy kaominina voarohirohy amin’izany) no efa migadra any am-ponja ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.