Actualités

Firaisan’ny sendika Hanao rodobe eny amin’ny Fitsarana anio


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Hanao rodobe eny aminny lapan’ny Fitsarana Anosy anio ireo sendika mikambana ao amin’ny AFOS na ny Firaisan’ny sendika rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.

 

Ho fanehoana firaisankina amin-dRabarilala Rado, mpitondra tenin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar izay mbola hiatrika ny fanelanelanana ataon’ny Fitsarana anio no anton’izany. Fantatra io nandritra ny fivorian’ireo sendika rehetra tao amin’ny hotely Mon Goûter Andrefan’Ambohijanahary omaly izay notarihin’ Atoa Ratolojanahary Maharavo na i Doudou. Ankoatr’izay dia nokianin’ity AFOS ity mafy koa ny fanenjehana natao tamin’ireo mpiasan’ny Air Madagascar nitaky ny zony ka takian’izy ireo ny fampiatoana ny fanenjehana rehetra . Fandikana ny zo fototry ny olombelona izany, hoy izy ka tsy azo ekena ary i Madagasikara rahateo dia efa anisan’ireo firenena nanao sonia ny fanajana ny zon’ny mpiasa haneho hevitra izay faritan’ny zon’olombelona.

Fantatra ihany koa fa hitory eny anivon’ny Fitsarana ny halatra izay natao tamin’ny mpiasan’ny Air Madagascar momba ny fanodinkodinana ny volan’ny Cnaps sy ny hetran’izy ireo ny AFOS. Mitaky ny itadiavan’ny fanjakana vahaolana haingana sy maharitra amin’ny ireo olana rehetra mianjady amin’ny sendika rehetra eto Madagasikara ny AFOS fa raha tsy izany dia hihamafy ny fitakiana. Araka ny fanazavana hatrany dia handefa taratasy eny amin’ny Bianco sy SAMIFIN ity fikambanan’ny Sendika ity hamakiana bantsilana ny tsy rariny rehetra natao tamin’ny sendika.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT