Actualités

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Ny ady amin` ny COVID-19 no mbola ahamehana eto amin` ny firenena.

 



 

 

Taorian` ireo fanolorana fanomezana nataon` ny firaisankinan` ny Sinoa-Malagasy ny talata lasa teo tetsy amin` ny CCO Ivato dia mbola nanohy ny asa sosialin` izy ireo. Nampiseho fahavononana hatrany ity fikambanana ity mba ahafana miady amin` ny valanaretina hatrany ka nanolotra vola mitentina 68 tapitrisa ariary miampy fitaovana ara-pahasalamana toy ny aro-vava, solomaso, … ho an` ny CHU Anosiala. Ity hopitaly ity mantsy no voakasika voalohany amin` ny fiatrehana amin` izany aretina izany ka ireo mpiasan` ny fahasalamana ao aminy no hisitraka voalohany ny fanomezana. Marihana fa ny governemanta sinoa no namatsy vola ny fanamboarana ny CHU etsy Anosiala. Ao amin` ity hopitaly ity ihany koa ny ivon-toeran` ireo iraka ara-pahasalamana sinoa (mission médicale chinoise) eto Madagasikara. “Ady iombonana ny fiatrehana ny “coronavirus” ka maneho fisaorana ho an` ny fikambanan` ny teratany sinoa-malagasy satria mbola manafay hatrany ny fihavanana Sino-Malagasy izany.”hoy ny lahatenin` ny tompon’andraikitra eny anivon` ny CHU Anosiala ny 03 aprily lasa teo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT