FIRAISAMONIM-PIRENENA

, Faritra ANOSY


  • Talata 09 Desambra 2025

Tokony ho jerena ny fifanarahana

ara-tsosialy manodidina ny asan’ny QMM
15 taona aty aorian’ny nitrandrahan’ny QMM ao Tolagnaro dia tsy mbola tafapaka tsara eny amin’ny mponina ifotony ao amin’ny faritra Anosy ny asa tanterahan’ity orinasa ity hoy ny Organisations de la Société Civile ao amin’ny faritra Anosy izay tarihan’Atoa Masimana Gahidi Marenjaka, filohan’ny PRFOSC Anosy. Misy fomba fitantanana vitsivitsy tsy mazava hoy izy amin’ny fanatanterahan’io orinasa io ny asany izay miteraka akony ratsy ka mahatonga fiverimberenan’ny grevy ao amin’ny faritra. Niezaka nikatsaka fiaraha-miasa tamin’ny QMM ary nanao ady sisika mba handrafitra ny mpikambana ao amin’ny Comite de suivi de l’environnement mikasika ity orinasa ity ny eo anivon’ny firaisamonim-pirenena rezionaly ao an-toerana saingy tsy nahazo valiny mahafa-po. Nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fanadihadiana izay nataony mikasika ny orinasa QMM ny teo anivon’ny firaisamonim-pirenena rezionaly ao an-toerana tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Norafetin’ny OSC anaty boky iray izay mirakitra ny fanadihadiana, fanamarihana ary ny soson-kevitran’ny Organisations de la Société Civile ao amin’ny faritra Anosy mikasika ny akony ara-tsosialy, ara-toekarena, ara-tontolo iainana ary ara-pahasalamana ny fitrandrahana ataon’ny QMM izany. Isany nanosika azy ireo hanao ity fanadihadiana ity raha ny fanazavana ny fisian’ny « deuxième convention d’établissement, loi 23-017 » izay mamela io orinasa io hanohy indray ny fitradrahana ataony mandritra ny 25 taona. Anisany tolo-kevitra naroson’izy ireo ny tokony hijerena ny fifanarahana ara-tsosialy. Tsy voatery ny fanafarana olana avy any ivelany no vahaolana amin’ny fampivoarana faritra iray hoy izy ireo mila omena sehatra ny mponina ao an-toerana izay tena mahafantatra ny tena mararin’ny faritra. Mila mipetraka ihany koa ny mangaharaha. Atao mazava ny fampiasana ny RSE ary mila ovaina ny fomba fitantanana ny « redevance ».
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT