Firaisamonim-pirenena 440 isa

« Avoahy ny marina, mialà izay tsy mahavita ! »


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Malagasy iray, miara ory, misaona izahay ! Ataovy mangarahara ny famoahana

ny valim-panadihadiana ho amin'ny rariny sy ny hitsiny. Raiso ny andraikitra, esory na mialà izay tsy mahavita azy. », hoy ny Firaisamonim-pirenena nahatratratra 440 omaly 22 jolay. Nahitsy izy ireo naneho, fa miendrika fanodikodinana saim-bahoaka ny fomba famoahana ny vaovao mahakasika ny fanampozinana ara-tsakafo. Mampiahiahy ny olompirenena ny tranga fanampoizinana ara-tsakafo amin'ny faritra sy toerana maro eto Madagasikara, izay namoizina ain'olona maro tao Ambohimalaza (Analamanga), Ambositra (Amoron'i Mania), Toamasina (Atsinanana), Mahajanga (Boeny). Toy izany ihany koa ny tany Ikongo izay nambaran’izy ireo fa nisy tandrevaka sy fanaovana tsinontsinona ny fahasalamam-bahoaka ka namoizana ain’olona maro be. Nampiaka-peo noho izany ireo Firaisamonim-pirenena ka nitaky ny : hisian'ny fitsirihana (contrôle) sy fanarahamaso matotra sy ara-potoana ireo entana sy vokatra ary sakafo izay tonga eto Madagasikara ary amidy ho an'ny mpanjifa eny an-tsena; hanomezana ny vaovao marina, marim-pototra, ara-tsiantifika amin'ny anaranan'ny fangaraharana, izay hahafahana misoroka ny mety ho fihitaran'ireo tranga ireo amin'ny faritra rehetra ; fandraisan'andrakitr'ireo fitsarana mahefa, ny fanantanterahan'ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana matihanina sy hanaovana izany ho laharampahamehana, ka hitondra vokatra marina azo zaraina amin'ny olompirenena syn y vahoaka. Izany dia antoky ny filaminan-tsain'ny daholobe, sy hamerana ny fiparitahan'ny honohono samihafa izay mitarika korontana sy fanohintohinana ny saim-bahoaka ; fanesorana tsy misy fepetra ireo tomponandraikitra tsy mahavita ireo asa iantsorohany na eo amin'ny lafiny "sécurité alimentaire", na eo amin'ny fiahiana ny fahasalamambahoaka, ary ireo anivon'ny Fitsarana izay tokony ho tandroka aron'ny vozona amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ireo nahavanon-doza; fiarovana ireo Zon'olombelona fototra dia ny fisitrahana sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao, tsy mampiahiahy, ho fiarovana ny aina sy ny fahasalamana; fisitrahan'ny olompirenena fitsaboana matihanina, sy ny fahaizan'ny mpitsabo mandray ary mifandray amin'ireo marary sy ny fianakaviany, mba hiverenan'ny "bien-être social" izay efa very an-javona raha ny antontam-baovao hita. Mitaky ny hisian’ny fanadihadiana parlemantera, fitsarana tsy mitongilana,… moa ireo Firaisamonim-pirenena izay naneho izany tamin’ny alalan’ny sora-baventy ihany koa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT