Firahalahiana Madagasikara sy Rosia

«Isan’ny manana tekinolojia ambony be ny rosianina»


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny oniversiten’Antananarivo, etsy Ankatso,

ny dinika an-databatra boribory mikasika ny firahalahian’i Rosia sy Madagasikara sy ny fianarana teny rosianina eto amin’ity firenena ity. Nilaza ny fahafaham-pony tamin’ny fandraisany anjara tamin’izany moa ny masoivohon’i Rosia miasa sy monina eto amintsika. Mahafaly koa, hoy izy, ny mahita ny fahatongavan’ny eo anivon’ny minisitera misahana ny fanabeazana sy fampianarana ambony tao anatin’izany. Fantatra teto ny olana mikasika ny fampianarana izany teny izany eto Madagasikara ary afaka hanampy hitadiavana izay vahaolana hampiroborobo izay fianarana teny rosianina izay indray izany, hoy hatrany ity masoivoho ity. Ny antom-pisian’ny Firahalahiana Madagasikara sy Rosia na FMR, hoy kosa ny filohan’ny FMR, Marcial Aimé Rakotomalala, dia ny hanamafy ny fifandraisana amin’ireo fikambanana antsoina hoe Rossotroudnitchestvo, izay angady nananana sy vy nahitàna ny fametrahana indray ny atao hoe Maison Russe, izay efa nisy tamin’ny andron’ny URSS na firaisana sovietika. Eo koa ireo mpianatra mila fanampiana ivelan’ny lisea, ivelan’ny oniversite, te hianatra any Rosia, hoy izy. Ny FMR no miezaka mampitambatra azy ireny ao amin’ilay atao hoe Maison Russe. Misy mpandraharaha te hiara-hiasa amin’ny mpandraharaha rosianina koa dia miresaka aminay izy hoe ahoana no atao sy hahafahana mifandray aminy? Tsy afaka miresaka politika ny fikambanana satria ny fahazoan-dalana dia voafaritry ny andininy ao amin’ny lalàna 60-133. Na izany na tsy izany, raha misy kosa tombontsoa iombonana dia izay no mahatonga anay mihetsiketsika satria mivoatra be ny toe-draharaha. Ny tekinolojia izao, isan’ny manana ambony be ny rosianina. Efa voaresaka ny mikasika ny fiofanana momba izany mankany ivelany ary izany rehetra izany isan’ny hanatonan’ny olona ny fikambanana daholo. 2 taona izao ny fikambanana ary miara-miasa amin’ny ambasady hatrany. Faribolam-pandinihana izy io, hoy hatrany ny fanazavana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT